HANDEFA MIARAMILA HIOFANA ATY MADAGASIKARA RY ZAREO BISSAU-GUINÉEN

Nitohy androany ny fitsidihana ara-panjakana ataon’ny Filoha Andry Rajoelina eto Bissau Renivohitry Guinée Bissau. Marihina fa ny Filohampirenena Andry Rajoelina no Filoha malagasy voalohany nanao fitsidihana ara-panjakana teto amin’ity firenena  ity.

Vao maraina dia efa niatrana manoloana ny Lapam-panjakanan’ny Repoblika, misy ny birao fiasan’ny Filohampirenena Bissau-guinéen, SEM Umaro Sissoco  Embaló  ny “Garde Présidentielle” sy ny Tafim-panjakana Bissau-guinéen niandry ny fahatongavan’ny Filohampirenena Malagasy, SEM Andry RAJOELINA tonga manao fitsidihana ara-panjakana eto Guinée Bissau.
Tamin’ny 1O Ora sy 18 (Ora aty an-toerana) no nigadona manoloana ny Lapam-panjakana ny Filohampirenena malagasy, SEM Andry RAJOELINA.

Ny Commandant du Bloc militaire de la Guinée Bissau  no nitsena ny Filoha Andry RaJOELINA teo am-pahatongavana. Avy eo noraisin’ny Filoha Umaro Sissoco Embaló manoloana ny karipetra mena (tapis rouge). Nisy ny fiarahabana nataon’ny Filoha Andry RAJOELINA ireo Tafika Bissau-guinéen, tamin’ny fitenin-dry zareo manao hoe: ” BOM DIA”. Fomba fiarahabana ny Bissau-guinéenne izany fiteny izany. Taorian’izay, nisy ny firedonana hiram-pirenena malagasy dia nipoaka ny tafondro 21 vava araka ny fomba amam-panao ara-miaramila.
Fomba amam-panao ara-tafika rehefa mandray vahiny manakaja ambony amin’ny Firenena iray. Nisy ny fisafoana ny andian-tafika narahana matso (défilé) taorian’izay.

SALON NOBLE DE LA RÉPUBLIQUE

Tao amin’ny “Salon Noble de la République” ao anaty Lapam-panjakana no nandraisan’ny Filoha Umaro Sissoco Embaló ny Filoha RAJOELINA.
Nisy ny fiarahana naka sary miaraka nataon’ny Filoha roa tonta taorian’izay.
Niroso tamin’ny fanaovana sonia ny boky volamena ny Lapam-panjakanan’ny Repoblikan’i Guinée Bissau ny Filoha Rajoelina ary rehefa izay dia nihaona manokana tao amin’ny birao fiasan’ny Filoha Umaro Sissoco ny Filoha mirahalahy.

RÉUNION BILATÉRALE

Toarian’izay dia nisy ny fivoriana niarahan’ny delegasiona  roa tonta (réunion bilatérale), nahitana ny Minisitry ny Filoalindahy, ny Jly Sahivelo Monja Lala Delphin, ny Mpanolotsaina manokana Rajoelina Patrick, ny Talen’ny Fandrindrana ny Tetikasan’ny Filoha eo anivon’ny Prezidansa, Andrimasinoro Bango izay niaraka amin’ny Filoha Rajoelina an-kilany. Ny an-daniny izay notarihin’ny Filoha Umaro Sissoco kosa dia nahitana ny ministre des affaires étrangères et de la coopération Internationale et de communauté, ny ministre de l’administration territoriale, ministre de la défense nationale, Chef du cabinet du Président Umalo, le Conseiller du président Umalo, Conseiller diplomatique du président Umalo, Conseiller politique du président Umalo, la Conseillère du président, l Maire de Bissau, Directeur général des affaires extérieures ary ny Directeur général de la Coopération international.

FANAOVAN-TSONIA

Taorian’ny fivoriana teo amin’ny roa tonta dia niroso tamin’ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa miisa 2 tao amin’ny Salon Noble de la République :

1- Fanaovan-tsonia fifanarahana lasitra (Accord cadre général de coopération entre Madagascar et de la Guinée Bissau) mirakitra ny fiaraha-miasa rehetra ahitana sehatr’asa miisa 28 (28 secteurs)

2- Fanaovan-tsonia ny “Communiqué conjoint ” izay manambara fa hanatanteraka izay voarakitra AO amin’ity accord ity ny firenena roa tonta.
Ny minisitry ny Filoalindahy, ny Jeneraly Monja Sahivelo Lala Delphin sy Ministre des affaires étrangères et de la coopération Internationale et des communautés Guinné Bissau no nanao ny fifanaovan-tsonia. Mpisolontena ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ny Minisitra Monja Sahivelo Lala Delphin.

Anisan’ireo sehatra hiaraha-miasa ny lafiny ara-miaramila ka manomboka izao Dia ho isan’ireo hisitraka ny fiofanana ao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ireo manamboninahitra avy amin’ny Tafika Bissau-guinéen. Handefa Miaramila any Madagasikara avy hatrany izahay hiofana ao Antsirabe, hoy NY filoha Umaro Sissoco.

FANDRAISAM-PITENENANA


Nisy ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Filoha roa tonta taorian’izay.

* Filoha Umaro Sissoco:
Amin’izao fitsidihana ara-panjakana ataonao eto Guinée Bissau :
Ampifaliana tanteraka no mandray anao tonga soa eto  Guinée Bissau Andrimatoa Filohampirenena Malagasy. Firenena mpinamana sy mpirahalahy I Madagasikara sy Guinée Bissau. Mitovy tadin-dokanga, mitovy fomba fijery amin’ny fampandrosoana i Madagasikara sy Guinée Bissau, ary maniry Aho mba hitondra  fandriam-pahalemana sy ny fitoniana ho antsika roa tonta izany. Mahafaly ahy sy mampihetsim-po ahy izany. Ianao no Filoham-panjakana Malagasy voalohany nanao fitsidihana ara-panjakana teto Guinée. Izaho kosa Dia mino sy matoky fa tsy maintsy mbola hiverina hitsidika any Madagasikara amin’ity takona ity ihany.

* Filoha Andry Rajoelina :
Fifaliana lehibe sy voninahitra lehibe ho ahy sy ny delegasiona rehetra izay miara-dia amiko eto, ny manao fitsidihana ofisialy voalohany izay manamarika ny tantara eto Guinée Bissau. Manamarika pejy vaovao eo amin’ny tantaran’i Guinée Bissau sy Madagasikara izany. Izany koa dia maneho ny fiaraha-mientantsika Andriamatoa Filoha Umaro. Fantatro ny fitiavananao manokana an’i Madagasikara. Ity fitsidihana ofisialy ity dia maneho ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fanamafisana ny fatorana sy fisakaizana sy ny fiaraha-miasa. Noho izany dia mirary fanambinana maharitra sy mitohy ho an’ny vahoakan’i Guinée Bissau aho. Enga anie ny fiaraha-mientantsika hitondra hoavy mamiratra sy fampandrosoana ho an’ny firenentsika roa tonta.
Ankoatra izany, io miaraka amiko io n’y minisitry ny Foloalindahy malagasy. Manamboninahitra maromaro avy amin’ny kaontinanta afrikanina no EFA niofana tao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe. Antsirabe dia tanàna nahaterahako. Tao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe aho no teraka ary ny Raiko dia mpampiofana sy mpampianatra na ” Instructeur” tao amin’ny akademia miaramila Antsirabe. Manamboninahitra ambony maro avy aty Kaontinanta Afikana no efa niofana tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe. Tahaka ny filoha teo aloha Thomas Sankara, ny filoha Sassongeso ihany koa ary eto dia manambara aho fa : “vonona handray miaramila hiofana ao amin’ny akademia miaramila malagasy i Madagasikara”.

NOSALORANA NY MARIBONINAHIM-PIRENENA FARATAMPONY AMIN’NY FANJAKANA GUINÉE BISSAU NY FILOHAMPIRENENA ANDRY RAJOELINA

Mialohan’ny nanoloran’ny Ben’ny tanànan’i Bissau ny Filoha Andry Rajoelina ny “Fanalahidin’ny ny tanànan’i Bissau” dia nosalorana : MARIBONINAHIM-PIRENENA FARATAMPONY AMIN’NY FANJAKANA GUINÉE BISSAU NY FILOHAMPIRENENA ANDRY RAJOELINA. Medaly antsoina hoe : “Amilcar Cabral” no anaran’izany Maribonibahim-pirenena izany.
Nisy ny famakiana ny Didim-panjakana laharana faha: 028/2024 Fiadidiana ny Repoblikan’i Guinné Bissau. Izany Didim-panjakana izany no mamaritra ny Fanomezana ilay Maribonibahim-pirenena faratampony Bissau-guinéenne. Tao amin’ny “Salon Noble de la République” anatin’ny Lapam-panjakana avokoa no nanaova izany lanonana rehetra izany.

Rehefa vita ny fandraisana ara-panjakana nataon’ny Filoha Umaro Sissoco ny Filoha Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana dia niroso nitsidika ny ozinina mpanodina “mahabibo” (noix de cajou) an’ny Orinasa groupe Santy Comercial.

2 réflexions sur “HANDEFA MIARAMILA HIOFANA ATY MADAGASIKARA RY ZAREO BISSAU-GUINÉEN

  • 17 septembre 2024 à 6h46
    Permalien

    Right now it seems like Movable Type is the best blogging platform available right now. (from what I’ve read) Is that what you are using on your blog?

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *