Raharaha Talen’ny CROUA : TSY AFA-PO TAMIN’NY DIDY NIVOAKA NY AVY AMIN’NY SOLONTENAN’NY MPIANATRA

Taorian’ny fitoriana nataona mpivarotra iray ny talen’ny CROUA sampana Antananarivo,dia niakatra fitsarana ny 29 Desambra ny raharaha.Voasazy roa taona sazy mihatona ny tale mpandrindra ny CROUA.Ankoatra izay dia voasazy handoa onitra 15 tapitrisa ariary ihany koa ity farany; marihina moa fa onitra nangatahan’ny mpisolo vavan’ilay mpivarotra izy io.

Etsy ankilany koa anefa dia tsy afa-po tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana ny mpiasa eo anivon’ny CROUA ,ireo mpianatra mipetraka eny amin’ny tranon’ny mpianatra ary ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa,noho ny fiarovana ny tombotsoan’ny mpianatra sy tsy fiandaniana ny tombotsoa manokan’ilay mpivarotra moa no anton’ny fanasaziana ny talen’ny CROUA.

Tonga nanotrona ity fotoam-pitsarana ity ny solontenan’ny mpianatra.

Milaza ny mpisolo vavan’ny talen’ny CROUA,noho izay didy tsy ara-dalàna izay .

Mitaky ny fanafahana io tale io ireo mpianatra nanatrika ny fotoam-pitsarana tetsy Anosy, ary vonona ny hiaro ny tombotsoany miaraka amin’ny CROUA izy ireo raha ny nambaran’ny solontenan’ny mpianatra hatrany.

Alex R /Olivia R.

192 réflexions sur “Raharaha Talen’ny CROUA : TSY AFA-PO TAMIN’NY DIDY NIVOAKA NY AVY AMIN’NY SOLONTENAN’NY MPIANATRA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *