Toedraharaham-pirenena: VONONA HIJORO HATRANY NY ANTOKO MFM

Nisy ny fihaonana izay nataon’ny antoko MFM, fihaonana sy fanokafana ary hanomezana ireo sosokevitra ho an’ny mpiray tanindrazana ho an’ny antoko politika , fiarahamonim-pirenena ary ny fanjakana . Androany 29 Desambra 2022 ihany koa ny fanokafana ny fankalazana ny Jobily faha-50 taona ny MFM.

Nisy moa ny fanamabarana izay nataon’izy ireo androany ka nambaran’izy ireo tamin’izany fa ny soatoavina no fampandrosoana ny fifampiresahana eo amin’ny firenena ary tokony ho ampiharina, araka ny nambaran’izy ireo manko dia 92% ny vahoaka dia sahirana avokoa.

Nambaran’izy ireo tamin’ny fanamabarana izay nataon’izy ireo ihany koa ny fanamafisana ny fanaovana fifidianana amboletra amin’ny lisim-pifidianana feno hosoka ka fananganana rafitra mahaleotena tsy miandany tsy voabaiko ary ankatoavin’ny rehetra hoy ihany izy ireo no takian’ny Antoko MFM .

“Hanadiovana ny tokotany” hanavaozana ny lalana rehetra mahakasika ny fifidianana ka lalana iray ihany ny ampiasaina amin’izany hoy ihany ny antoko. Fanatsarana ny rafitry ny CENI ka andraisana ireo solontenan’ny antoko politika anjara, fametrahana ny rafimpitsarana manokana misahana ny fifidianana, fanomezandana lanja ny vahoaka ary ny firosoana amin’ny karatra biometrika izany.

Nambaran’ny antoko tao amin’ny fanambarana izay nataon’izy ireo ihany koa ny fiheveran’izy ireo fa ny fampandrosoana voarindra, ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana no miteraka tombotsoa ho an’ny tsirairay sy ny vondron’olona ifotony.

Handray anjara amin’ny fifidianana foloham-pirenena sy ireo ambaratongam-pifidiana a rehetra moa ny antoko MFM .

Alex R./ Olivia R.

Une réflexion sur “Toedraharaham-pirenena: VONONA HIJORO HATRANY NY ANTOKO MFM

  • 11 septembre 2024 à 18h27
    Permalien

    you’re really a good webmaster. The web site loading speed is amazing. It seems that you’re doing any unique trick. Furthermore, The contents are masterwork. you have done a fantastic job on this topic!

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *