Fifidianana : NIOVA ENDRIKA NY “ISOLOIR” TAMIN’ITY FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA ITY

Niova endrika ny Isoloir na toeram-pitokanana ampiasaina amin’ity fifidianana ity. Tahaka ity amin’ny sary ity, izay isan’ireo fanatsarana napetraky ny CENI. Manaraka izany dia misy ny laharana maitso mahazo ny CENI : 034 30 810 01

Amin’izao ora anoratana izao, dia mizotra amim-pitoniana ny fifidianana rehetra manerana ny Nosy.

Nohamafisin’ny Filohan’ny CENI DAMA Arsène izany nandritra ny fotoana nanaovany ny adidiny teny Tanjombato io maraina io.
Ny mpitandro filaminanana ihany koa manao ny ainy tsy ho zavatra misoroka sy mitandro ny filaminana.

Andry RAFIDINIRINA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *