Ambatondrazaka : MANANA CENTRALE HYBRIDE MAMOKATRA HERINARATRA AMPY HO AN’NY ISA-TOKANTRANO

Ao Mangarivotra Fokontany Antanambehivavy, Commune Ambohimandroso, district Ambatondrazaka no misy ilay ” centrale hybride” izany hoe ” centrale thermique” sy ” centrale solaire” mitambatra izy io, miorina amin’ny velaran-tany 5 Ha, ka ny orinasa Loca Pro no mitantana azy. Ankehitriny dia hamokatra herinaratra hatramin’ny 5 000 Kwh eo isan’andro ity centrale ity izay ahitana “pannneaux solaires” 3 240 isa. Mahasahana ny tanàn’Ambatondrazaka iray manontolo ny vokatra ary tokantrano rehetra misitraka ny jiron’ny orinasa jirama dia misitraka avokoa izany hoe tokantrano eo amin’ny 8 000 isa.Ny Filoha Andry Rajoelina no nitokana izany tany an-toerana. Nandritra ity fitsidiham-paritra nataony ity koa no nizarany ny Hazavana ho anao ho an’ny vahoakan’Ambatondrazaka…..

FANAZAVANA : Tonga tany an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina nitokana azy io. Taorian’izay dia nitohy teo amin’ny kianja Rasolonjatovo teto an-tampon-tananan’Ambatondrazaka ny fitsidiham-paritra notanterahin’ny Filoha Andry Rajoelina, rehefa avy nanolotra ny fotodraffitr’asa PARC SOLAIRE tao amin’ny fokontany Ambohimandroso, kaomina Surburbaine Ambatondrazaka. Vahoaka an’aliny no niandry azy teto amin’ity kianja manara-penitra ity ary nizarana ilay jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro anatin’ny tetik’asa ‘Hazavana ho anao’.

Nambaran’ny Flloha Andry Rajoelina tao anatin’ny kabariny fa tsy manadino an’ny vahoakan’Ambatondrazaka izy ary na dia tany Comores azy izy omaly dia tsy maintsy tonga aty satria efa niandry azy ireo vahoakan’Ambatondrazaka. Efa niova, Ambatondrazaka, hoy ny Filoha, satria raha toa ka 38% ny vato azony tamin’ny fifididianana filoham-pirenena fihodinana voalohany tamin’ny taona 2018 dia efa nahatratra 50,70% izany tamin’ny fihodinana faharoa ary tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2023 dia nahatratra hatrany amin’ny 78% izany. Tonga noho izany ny Filoha Andry Rajoelina hitondra valim-pitia ho an’y vahoaka ka nizara ny jiro isan-tokantrano, ho an’ireo izay manana karinem-pokontany. Ho an’ireo izay mila jiro kosa dia mila manana ny karinem-pokontany avokoa.

RN44 : mahakasika ny RN44 dia nasian’ny Filoha tsindrim-peo ny amin’ireo mpanao politika sasany milaza fa izy ireo no nitady ny famatsim-bola amin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena 44. Lainga izany hoy ny Filoha Andry Rajoelina satria efa tamin’ny taona 2009 – 2010, tamin’Izy mbola filohan’ny tetezamita no efa nandeha ny ‘etudes’ tamin’ny hanamboarana io lalana io. Ankehitriny, vita ny RN 44, ka ny fitondrana Andry Rajoelina no nanomboka sy namarana ny asa fanamboarana azy. Efa tsy mijaly intsony ireo mponina amin’ny fitaterana ireo vokatra satria faritra mamokatra ary anisan’ny sopitr’i Madagasikara i Ambatondrazaka.

Ankoatran’ny RN44 dia namboarina ihany koa ny lalana mihazo ny aerodrome izay ratsy dia ratsy tamin’ny fe-potoam-piasa voalohany fa ankehitriny dia efa vita tsara izany, hoy izy. Fotodritr’asa hafa : Efa vita hatrany amin’ny 80% ny asa fanamboarana ny oniversite an’Ambatondrazaka ka tsy ho ela dia tsy mila miakatra any an-drenivohitra intsony ireo mpianatra eto, fa afaka mandrato fianarana eto amin’ny distrika misy azy. Mbola ho avy eto aho, hanokatra ny oniversite an’Ambatondrazaka amin’ny fomba ofisialy, hoy ny Filoham-pirenena androany.

Ankoatran’ny oniversite dia efa misitraka EPP manarapenitra ny mpianatra. Etsy ankilany, hanomboka tsy ho ela ihany koa ny asa fanamboarana ny hopitaly manara-penitra eto Ambatondrazaka, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, tanatin’ny kabariny. Hisy bloc sanitaire maro ary indrindra hisy scanner ihany koa. Efa tonga izany fitaovana scanner ho an’ny hopitaly manarapenitra an’Ambatondrazaka izany, raha ny nambaran’ny Filoha hatrany.

Efa manana ny kianja manarapenitra RASOLONJATOVO ihany koa ny distrik’Ambatondrazaka, izay namboarin’ny fitondrana Andry RAJOELINA. Tsy maintsy ahitana vahaolana avokoa ny olan’ny mponina ary tonga aho hitondra izany vahaolana izany, raha ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina. Ny tanjona dia hitondrana fampandrosona eto Ambatondrazaka ary efa hita taratra izany fampandrosoana izany ankehitriny.

Tsimbakely

201 réflexions sur “Ambatondrazaka : MANANA CENTRALE HYBRIDE MAMOKATRA HERINARATRA AMPY HO AN’NY ISA-TOKANTRANO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *