Filoha Rajoelina Andry : NANATANTERAKA FIDINANA IFOTONY TAO TOAMASINA, ANTALAHA, VOHEMAR ary MANANARA AVARATRA

Omaly sabotsy 25 Mai 2024 dia tao nanatanteraka fidinana ifotony tao Toamasina, sy tao amin’ny Distrikan’ Antalaha sy ny Distrikan’i Vohemar ary Mananara Avaratra ny Filoha Andry Rajoelina. Zany hoe Faritra Atsinanana sy faritra SAVA. Nisy ny fanolorana ny Hazavana ho anao ho an’ireto distrika ireto.

Teo koa ny fanolorana milina ho an’ny kaoperativa mpamokatra anatin’ny tetikasa ODOF. Nijery ifotony ny fizotry ny asa fanadiovana ny Canal de Pangalana ny Filoha Andry Rajoelina. Nisy koa ny fanolorana ny Fonjabe ao Toamasina. Androany alahady 26 Mai 2024 kosa dia any Moroni Comores ny Filoha Andry Rajoelina manatrika ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Filoha Kaomoriana, AZALI Assoumani….

Nandritra izany, nisy ny : – 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐥𝐢𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐧𝐤𝐚𝐳𝐨 𝐡𝐨𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐩𝐞𝐫𝐚𝐭𝐢𝐯𝐚 𝐌𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤’𝐚𝐬𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐢𝐤𝐞𝐭𝐬𝐚 𝐈𝐧𝐝𝐨𝐬𝐭𝐨𝐫𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐎𝐃𝐎𝐅 (𝐎𝐧𝐞 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐜𝐭, 𝐎𝐧𝐞 𝐅𝐚𝐜𝐭𝐨𝐫𝐲).- 𝐅𝐢𝐳𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐇𝐚𝐳𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐨 : 𝐣𝐢𝐫𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐞𝐡𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐬𝐨𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐡𝐨𝐳𝐚𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐤𝐚 𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐦𝐢𝐢𝐬𝐚 1266 𝐧𝐨 𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐚𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐧𝐢𝐯𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐥𝐚𝐡𝐚.Eo amin’ny lafiny fanatsarana ny fampianarana kosa afaka volana vitsy dia omena fitaovana manarapenitra ary hotokanana ny Oniversite SAVA izay mihorina ao amin’ny Distrikan’Antalaha ary ho vitaina sy hampiana ny “Gradin” ny kianja filalaovam-baolina monisipaly miaraka amin’ny kianja mitafo na ny Gymnase couvert izay isan’ireo fotodrafitrasa eo andalam-pahavitana amin’izao.” 𝑽𝒂𝒓𝒚 𝒔𝒚 𝒓𝒂𝒏𝒐 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒛𝒂𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒔𝒐𝒂𝒏𝒂”, hoy kosa ny Goverinoran’ny Faritra SAVA Andriamatoa SERAMILA Teddy Gervais raha nisaotra ny filoham-pirenena tamin’ny anaran’ny vahoakan’i SAVA, satria tsapa amin’izao hoy izy fa mipaka isaky ny Distrika sy kaominina ary isam-baravarana ny asa fampandrosoana entin’ny fitondram-panjakana.Nohamafisiny fa maro ireo fotodrafitrasa vita miandry fitokana eto Antalaha ary mbola vonona ny Faritra SAVA sy ny vahoaka hiara-hiasa amin’ny Filoha hanohy ny asa fampandrosoana sy fanatanterahana vinan’ny fitondram-panjakana.

MANANARA AVARATRA

Tokantrano miisa 800 kosa no nisitraka jiro mandeha amin’ny masoandro avy amin’ny tetikasam-pirenena “Jiro hazavana ho anao”, avy tamin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA raha nitsidika an’i Mananara Avaratra izy ny sabotsy 25 maiy 2024. – Nandritra izany no nanamafisan’i Filoha Andry RAJOELINA fa maro ireo fotodrafitrasa natao ato anatin’ny faritra Ambatosoa, anisan’ny nisitraka izany ny distrikan’i Mananara Avaratra. Maro mihoatra izany koa ny mbola ho atao amin’izao dimy taona manaraka izao. – Ilana fifanomezan-tanana sy fiaraha-mientan’ny rehetra izany. Ny fampitoviana ny fomba fijery no manamora ny fampandrosoana tiana hapetraka, indrindra ny ato anatin’ny Faritra Ambatosoa izay hita fa miazakazaka amin’izany fampandrosoana amin’izao.

VOHEMAR

Nialoha izao dia tao VOHEMAR koa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ka nandritra izany ny fanolorany Tranompokonolona ho an’ny Vahoaka ary tsy diso anjara tamin’ny Hazavana ho anao koa ity Distrika ity.

TOAMASINA

Tao Toamasina koa ny Filoha Andry Rajoelina ny Sabotsy teo. Nandritra izany no nanolorany ny Fonjabe ho an’i Toamasina. Nijery ifotony ny fanadiovana ny lakan-dranon’i Pangalana ihany koa izy ary nandeha sambokely mihitsy. Nisy koa ny fanolorana Ozinina miisa roa amin’ny tetikasa ODOF. Androany alahady 26 Mai 2024 kosa dia any Moroni ny Filoha Andry Rajoelina manatrika ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Filoha Kaomoriana, AZALI Assoumani.

Tsimbakely

408 réflexions sur “Filoha Rajoelina Andry : NANATANTERAKA FIDINANA IFOTONY TAO TOAMASINA, ANTALAHA, VOHEMAR ary MANANARA AVARATRA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *