Tana I – Laharana faha- 4 : ” Grande Parade” NIARAHANA TAMIN’I AUGUSTIN ANDRIAMANANORO sy TAHIANA RAZANAMAHEFA

Niavaka ny fampielezan-kevitra nataon’ny Laharana faha-4 Tana I no tarihan’i Augustin Andriamananoro sy Tahiana Razanamahefa. Tamin’ny alalan’ny hetsika ” Grand Parade” nitety ny renivohitra, Boriboritany Voalohany no nanehoan’izy ireo ny fihaonana tamin’ny vahoaka.Nanafana ity Grande Parade ity moa ireo artista samihafa toa andry Wada sy Young’s sns…

Niainga teny Andavamamba, Anosy, Ambohijatovo Analakely, Soarano, Ambondrona, Faravohitra, 67ha, Andavamamba, Andranomanalina ny Grande Parade.

Naneho ny hafaliany ny rehetra teny an-dalana. ” Hifidy an’i Zoky Mahagaga Augustin Andriamananoro sy Tahiana Razanamahefa izahay satria efa mazava ny tetikasa entiny izay fampandrosoana maharitra. Aminay dia Numéro 4, Tanà I, Ataontsika Milay ihany ny anay, hoy Toky Ramanitrarivelo nanazava.

Manda R

19 réflexions sur “Tana I – Laharana faha- 4 : ” Grande Parade” NIARAHANA TAMIN’I AUGUSTIN ANDRIAMANANORO sy TAHIANA RAZANAMAHEFA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *