Ilan-tanin’ny  tobin’ny zandary – Salazamay : ANATIN’NY  “BORNE” JENERALY IRAY

“Alaiko ny taniko fa anatin’ny borne-ko” , hoy ity Jeneraly amperin’ asa iray amina zandarimariam-pirenena monina sy mipetraka eto Toamasina fa manao asa any Antananarivo amin’ izao fotoana izao.

Vokany,  nanomboka nanao filazana ambava tamin’ ireo tokatrano miisa 20 tafo mahery izay ahitana olona manodidina ny 200 ny iraka avy aminy mba hiala sy handravana ireo tranom-pivarotana sy himpetrahana izay eo anoloan’ny tobin’ny zandary “Peloton Mobile Porte N° 20” etsy Salazamay na koa anoloan’ny hopitaly Manaram-penitra Morafeno.

Nandritra ny valandesaka ho an’ny mpanao gazety ny alatsinainy 04 novambra tolak’ andro teo izay nilazan’ ireto fokonolona tompon’ny  tokatrano maro horoasina hiala amin’ny toeram-ponenany ireto dia samy nilaza fa raha lasan’ity jeneraly ity ny ilan-tanin’ny tobin’ny zandary dia tsy tokony ho tampohana ny fanesorana anay izay tombanany fa tsy maintsy miala sy mandrava  trano hatramin’ny alarobia ho avy izao .

Nilaza kosa ity manambonihitra ambony amin’ny zandary ity fa fefeny miaraka amin’ny anjaran-taniny ao daholo izay tsy handrava ny azy ka ho aiza ny lalana hivezivezeny avy eo, ” efa ela no tokony hanataterahina ny fanesorana ireo saingy niandry ny fahavitan’ny fifidianana aho” hoy izy raha nanotaniana.

Raha iverenana dia ny mpitantana teo anivon’ny zandarimariam-pirenena taloha tany amin’ny 30 taona lasa no nizara an’ity toerana ity ho an’ny vadina zandary izay te mba hivarobarotra ho fanampianany fidiram-bolan’ny zandary vadiny ary koa  mba hisorohana sy hanalefahana Sy tsy hanaovan’ny zandary kolikoly, raha tsorina mantsy dia saika zanaka sy vadina zandary te aloha avokoa  no nanorina trano sy fivarotana amin’ ity toerana,

ity ilay Jeneraly lasa nahazo ny ilan-tanin’ny toby rahateo zanaka zandary niasa tamin’ty toby ity ihany teo aloha izay efa misotro ronono. Ny fanadihadiana teny anivon’ny fiadidian’ny kominina sy asa vaventy kosa nahalalana fa tafiditra anatin’ny faritra maintso ny toerana misy an’ ireo mpivarotra ireo ka tokony tsy hisy afaka hanaisotra , tsy vitan’izay fa mbola anatinny “Route d’ Ivoloina, ireo tokatrano mahazo fandrahonana hoesorina ireo, tsy misy afa tsy tetikasan’ny filohan’ny repoblika na fanitarana an’io lalana io ihany no tokony hanesorana azy ireo.

Ahina ho lasa rantiranty handrehetan’ny mpanao politika korotana noho izany ity resaka fandroahana fianakaviana zandary teo aloha amin’ny toerana fivarotana sy ipetrahan’izireo ity.

113 réflexions sur “Ilan-tanin’ny  tobin’ny zandary – Salazamay : ANATIN’NY  “BORNE” JENERALY IRAY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *