Fambolem-bary: HAMPIANARINA ANY AN-TSEKOLY

📌Hampidirina sy HAMPIANARINA eny ifotony,eny an-tsekoly ny fampianarana ny fambolem-bary ho an’ny ankizy.Misy ny paikady maharitra hampiasaina amin’izany,entina hampitana ny fampianarana.

      Raha ny fambolem-bary moa no resahana,dia anisan’ny mamokatra betsaka i Madagasikara,nohon’ny fampiasana ireo teknolojia manaraka ny vaninandro ankehitriny,eo ihany koa ny fanarahana ny tetikady matipaika hiarahan’ny ministera mpiahy azy ireo,ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana.Ary hatevenina hatrany io fiaraha-miasa io,hampiroboro sy hampiakatra hatrany ny voka-bary eto Madagasikara.

     Raha ny nambaran’ny mpamboly eny ifotony kosa,dia ho tsara ny voka-bary amin’ity taona noho ny fahampian’ny rotsak’orana.Ary manantena ny manantena ny hatsaran’ny vokatra sy ny vidiny ny tantsaha ,raha ny nambaran’ny Filohan’ny tranoben’ny tantsaha RAZAFIMBOLA Engeline.

📌Nisy moa ny atrikasa niarahan’ny ministeran’ny fambolena sy  fiompiana sy ny ministeran’ny fampianarana ny 21 Novambra 2023,tetsy Anosy ,entina hanapariahana ny fambolem-bary eny ifotony.Eo ihany koa ny fanatevenana  fiaraha-miasa eo amin’ny ministera roa tonta.

3 réflexions sur “Fambolem-bary: HAMPIANARINA ANY AN-TSEKOLY

  • 16 septembre 2024 à 16h59
    Permalien

    Howdy! Do you use Twitter? I’d like to follow you if that
    would be ok. I’m definitely enjoying your blog
    and look forward to new posts.

    Répondre
  • 8 février 2024 à 21h16
    Permalien

    L’obtention d’informations secrètes peut vous donner un avantage commercial sur vos concurrents, et grâce aux progrès technologiques, l’écoute électronique est plus facile que jamais de nos jours.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *