PLATFORME LUJDH/TAM’ZO: Mangataka ny fifanantonana haingana ny olana eto Madagasikara


Nanao fanambarana ampahibemaso androany ny firaisamonim-pirenena LUJDH/TAM’ZO na Tanora Miady ho an’ny Zo maha Olombelona,nahatsapa ity firaisamonimpirenena ity,fa tena efa latsaka an-katerena tanteraka ny olana ara-politika eto Madagasikara.Ary efa tena miantraika any amin’ny fiainan’ny vahoaka manontolo.


Araka izany,manao antso avo amin’ny filoha mpisolo toerana sy ny governemanta mijoro ankehitriny ny TAM’ZO,mba hanao ny fivoriana an-databatra boribory eo amin’ireo miteraka olana goavana eto amin’ny firenena;ny kandida faha-3 sy ireo vondron’ny kandida 10,izay tsy mitsahatra midina an-dalana hatrany.📍Raha ny nambaran’ny filoha mpanorina ny firaisamonim-pirenena TAM’ZO,ramatoa RAJAOBELINA Lydie hatrany,dia handray fepetra entitra izy ireo raha tsy mihetsika ny governemanta.


Mbola manana fotoana lava ny governemanta mialoha io asabotsy izay ahiana hisy korontana eny amin’ny kianjan’ny 13 May;ity farany izay fangatahana nataon’ireo vondron’ny kandida 10.


Ao aorian’io asabotsy io, raha tsy misy fepetra matotra raisin’ny fanjakn mpisolo toerana,dia voatery handray fepetra amin’ny fampiantsoana ny satroka manga na “casque bleu”, avy any amin’ny Firenena mikambana izy ireo.Tsara moa ny mampahafantatra,fa i Madagasikara dia isan’ireo firenena nanao sonia amin’ny fampanajana ny zo maha olona.


Ankoatra izay,raha ny nambaran’izy ireo hatrany,dia zo tanteraka ny midina an-dalambe,izay tanterahan’ny vondron’ny kandida ankehitriny.Koa manao antso avo ihany koa ny TAM’ZO, ny hanaovan’izy ireo izany an-kalalahana,hisorohana ny mety rà mandriaka eto Madagasikara.
Raha tsiahivina moa,dia midina an-dalambe manaraka ireo kandida,manao ny fanamarihana rehetra eny an-kianja no ataon’ity firaisamonim-pirenena TAM’ZO ity.
Natao tetsy Itaosy moa ny fanambarana ,niarahana tamin’ireo tanora mpikambana rehetra.


Alexandrine
Ranaivoson

289 réflexions sur “PLATFORME LUJDH/TAM’ZO: Mangataka ny fifanantonana haingana ny olana eto Madagasikara

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *