Vahoaka tao Ihosy : 80 % FARAFAHAKELINY NY VATO OMENAY ANAO

Nasehon’ny vahoaka ao Ihosy fa tia an’I Andry Rajoelina ry zareo. Amin’ny faha 16 novambra dia 80 %  farafahakeliny no vato omeny ny kandida laharana fahatelo .

Raha tonga avy any Betroka izahay hande fiaramanidina ho eto Ihosy, alohan’ny iaingana dia niantso ny tompon’andraikitra hoe avy be ny orana tsy misy olona intsony. Hoy aho hoe: “tso-drano izany”.

Hoy ny tompon’andraikitra hoe aza mankaty aloha fa mandehana any Isalo ianao President. Fantako fa tia an’i Andry Rajoelina ny vahoakan’Ihosy ka nandray ny fiaramanidina aho , ary voaporofo fa tia an’i Andry Rajoelina ny vahoakan’Ihosy satria vory maro , hoy ny kandida laharana fahatelo Andry Rajoelina androany 29 oktobra 2023 teto Ihosy.

Raha manana kianja manara-penitra Antsiranana ,Toamasina, dia Ihosy tsy atao zanak’ikala hafa fa rehefa tonga ny fotoana dia ao izaho no hanao fampielezan-kevitra.

Nanao ny lalaon’ny Nosy isika,  fanamby no napetrako tamin’ireo atleta, za fantatrareo fa tia fanatanjahan-tena, ary izaho rehefa manao fifaninanana dia tsy maintsy mandresy ary tsy maintsy “champion”. Rehefa mirotsaka filoha aho dia tsy maintsy lany , ary tsy maintsy champion.

Ihosy hatramin’ny nisian’ny fifidinanana teto dia Andry Rajoelina no nahazo vato be indrindra satria 68% no nomeny an’i Andry Rajoelina. Fa amin’ity fifidianana ity dia mba ho farafahakeliny  80% no homen’Ihosy.

 Tamin’ny lalaon’ny Nosy za nanampy ny atleta, noho izany tany amin’ny hotel 5 étoiles no napetrako izy reo ary nomena ny fitaovana ilaina rehetra. Vokany azontsika daholo ny medaly volamena, Madagasikara no voalohany.

Ho avy zao ny fifidianana filoham-pirenena, raha nahazo medaly isika dia mino aho fa fantatry ny vahoaka ny tokony ho fidiana, ny vahoaka malagasy mila filoha tia ny vahoaka, akaiky ny vahoaka.

Mino aho fa amin’ny 16 novambra ho ataontsika miraradraraka ny medaly omen’ny vahoakan’Ihosy an’i Andry Rajoelina.

Zay ny antony nanaovana fotodrafitrasa maro satria fantatro fa betsaka ny vahoaka eto ihosy,

Andry Rajoelina efa tia an’Ihosy taloha, ankehitriny ary amin’ny ho avy.

Noho ny maha be tanora eto Ihosy no nahatonga ahy raha nanampy mpanao fanatanjahantena hoe tsy mety amiko raha tsy anaovana gymnase lehibe sady tsara tarehy ny eto Ihosy. Kely sisa dia ho vita zany ary rehefa vita io dia zaho no hitokana azy miaraka amin’ny tanora.

Raha fotodrafitrasa mbola tsy nisy filoham-pirenena nanao fotodrafitrasa betsaka indrindra teto Ihosy raha tsy Andry Rajoelina. 

 Ny vahoaka eto tsy mitsahatra mitombo nefa ny fotodrafitrasa teto hatramin’izay tsy nanaraka ny filan’ny vahoaka ary adino foana ianareo, betsaka ireo marary mila fitsaboana tsy maintsy entina any Antananarivo, Fianarantsoa na Toliara de hoy zaho hoe tsy mendrika an’izany ny vahoaka eto Ihosy. nanomboka tam’ny 1960 dia mihisa 18 ny hopitaly namboarina, izay no antony nanaovako hoe ny fahasalamana hatao manakaiky vahoaka. Hopitaly 28 no naorintsika nanomboka zaho nitondra Satria Ihosy mila fandrosoana, tsy atao zanak’ikalahafa, antony nanaovako hopitaly manara-penitranitra eto Ihosy ary ho vita amin’ny taona ho avy izay misy maternité sy bloc opératoire, hopitaly toy zany no mendrika ny vahoakan’Ihosy. Betsaka ny filoha nifandimby tonga teto fotsiny manao kabary, fa ny ahy zay lazaiko tsy maintsy ataoko satria tiako ny vahoaka eto.  

Ny fampandrosoana tsy vita iray na roa na dimy taona fa amin’ny 5 taona manaraka io hamirapiratra ary handroso Madagasikara ary indrindra ihosy Kely sisa, tsy maintsy handroso, nisy tsy nahafapo ahy ary mila manakaiky kokoa anareo vahoaka aho, mitsinjo anareo ary za de hanampy anareo. Zaho dia hitondra ny hazavana anatin’ny haizina zay misy antsika sy ny firenena. Hanao fanamby isika, 68% ny fahatokisana nomenareo ahy tamin’ny 2018, efa betsaka zany satria fief an’i Andry Rajoelina Ihosy ary tsy miovaova loko. Mba ahafahantsika mahazo jiro daholo dia mila manova tantara isika manaporofo hoe Ihosy tsy miala amin’i Andry Rajoelina. 68% tam’ny 2018 no nomenareo ahy, angatahako mba atao 78% izany. Rehefa omenareo 75% mihoatra aho, ny fianakaviana rehetra tsy manana jiro dia omena kit solaire iray volana aorian’ny ahalaniako,, omena, kit solaire miaraka amin’ny jiro solaire 2.

 Zay manana jiron’ny jirama, izay matetika izy io no tapaka, de hoy aho hoe tsy tiako hiaina anaty haizina intsony ianareo. Ny taux d’ensoleillement eto be dia be, efa nanafatra tany Chine za dia afaka volana vitsy ametrahana parc solaire 3Megawatts eto hitarihana jiro isan-tokatrano. Betsaka ny lalana zay nataontsika. Zaho niteny hoe misy lalana miala eto Ihosy Taolagnaro Rn13 efa mandeha manomboka Taolagnaro mandalo amboasary, manambaro hatrany Ambovombe fa zao no lazaiko androany, afaka volana vitsy ataontsika goudron ny lalana miainga eto Ihosy hatrany Betroka. Tsy titre na voninahitra no mahafatifaty ahy fa ny hampandroso an’i Madagasikara. tiako daholo ny faritra eto Madagasikara fa nisy fizarana vilana teto hatramzay, adino foana ny taty atsimo, nanaovako, anaovako ary mbola hanaovako fotodrafitrasa be dia be zty. Nasehoko tamin’ny mpamatsy vola hoe ho ataonay izay tsy nataonareo, nanaovantsika Pipeline miala ao Efaho hatrany Ambovombe, mirefy 97km ary efa manomboka.

179 réflexions sur “Vahoaka tao Ihosy : 80 % FARAFAHAKELINY NY VATO OMENAY ANAO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *