Kandida laharana faha-telo tao Brickaville : HOVAHANA AMIN’NY ALALAN’NY  FAMETRAHANA PARC SOLAIRE MAHALEOTENA NY OLAN’NY FAMATSIANA HERINARATRA AO BRICKAVILLE

Tao Brickaville ny kandida  laharana fahatelo Andry RAJOELINA – niaraka tamin’ny vadiny sy ireo delegaisona niaraka taminy ny zoma 27 oktobra 2023. Vahoaka marobe no nandray azy azy ireo nanomboka teny an-dalana nihazo ny kianja hanaovana ny kabary. Nambaran’ny kandida Andry Rajoelina raha nandray fitenenana izy  fa  adino foana Brickaville hatramin’izay ary tsy adinoina  intsony fa akaiky ny foko. Mbola maro ny fotodrafitrasa hatao ankoatra ny efa vita.

Jereo ny zavatra nataontsika ankoatran’iny Kianja Manarapenitra. Tao anaty 5 taona nitondrako izay, 3 taona no tena marina satria roa taona isika nandalo crise. Teo ny Covid sy olana maro samihafa. Telo taona no tena niasantsika. Na nisy crise aza niezaka isika nampandroso sy nanao infrastructures marobe manerana an’i Madagascar. Ary izao no zavatra tena nisy, raha Brickaville dia faralahy, adino foana hatramin’izay, fa nandritran’ny fitondrako tsy adino intsony Brickaville

Maro ny fotodrafitrasa natao tao Brickaville tao anatin’izay fotoam-piasan’ny Kandida laharana fahatelo izay.  Isan’ireny ny Commissariat de police Manarapenitra. Efa vita ary efa azo ampiasaina . Tao koa ny Brigade routière spéciale ao Sahamamy. Rehefa miala avy any Tana ka matahotra andeha alina dia mijanona eo Sahamamy. Ary indrindra ny nametrahana poste gendarmerie nationale ao Ambinaninony.

Nanangana isika ao Anivorano ny Maison des femmes rurales. Hanampy vehivavy izay mananontena aho.

Mikasika ny SIRAMA dia hojerena akaiky ny famahana izany. Efa nisy ny famahana ny olana natao ary tsy avelatsika raha tsy mahita tombontsoa amin’izany ny tsirairay. 

Noresahana ihany koa ny famitana ny fotodrafitrasa toy ny   EPP 24 salles. Mahazaka mpianatra hatramin’ny 1200. Ny famitana ny lycée agricole, ny CSB2 Manarapenitra, centre de référence agricole eto Brickaville.

Amin’io mandat manaraka io – hoy Andry Rajoelina – dia hanampy ny vahoaka bebe kokoa no hataoko hoy ny Kandida laharana fahatelo . “Ny zavatra ho ataoko dia ny hanampy ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy, tena marefo, ny tsy an’asa , ny tanora, ny fikambanam-behivavy, ny vehivavy, hanampy ny Malagasy jiabijiaby”.

Olan’ny famatsiana herinaratra

Noresahana ny olan’ny Jirama teto.  Fantatra fa  rehefa mandefa solika miala Tana mandrapahatonga aty raha mandefa ohatra 1000l , eny an-dalana efa misy mangalatra ny 100 na 200l. Dia 800 litres sisa no Tonga aty. Ka  ny zavatra ho ataontsika afaka volana vitsy, satria efa mipetraka ao ny ankamaroany, dia hanamboarana parc solaire lehibe eto Brickaville mba tsy ampiasa solika intsony dia mba tsy ho tapatapaka intsony ny jiro. Ary tsy maintsy vita zay.

Parc solaire 1 Megawatt no apetraka eto Malaza Brickaville sy ny manodidina amin’ny resaka tourisme.

Ankoatra izay efa  namboarina koa ny lalana Manambato – Ambila Lemaitso satria potika izy iny ary ho hatao pave na rarivato.

Filoha manana fitiavana….

Betsaka ny filohampirenena fa iray ihany no hofidianao hanavotra an’ity Madagascar ity. Tsy iza izany fa Andry Rajoelina laharana fahatelo. Tsiahiviko fa io fifidianana io  dia inareo no mahafantatra ny olona akaikin’ny fonareo, olona madio fo, olona mitory Fitiavana. Tsy iza izany fa ny tenako Andry Rajoelina.  Satria henotsika fa misy candidat mitory fankahalalana, vao mivoaka ny vavany dia manaratsy ahy, manambany antsika. Olona mampitambatra  ny Malagasy no ilaina hitondra ny firenena. Tsisy resaka hoe avy any amin’ny faritra, fa fo iray ihany, Malagasy iray ihany isika rehetra, ka olona tia anareo no hofidiantsika.  

Nifanao velirano tamin’ny mponin’I Brickaville ny kandida laharana fahatelo ary nanaiky sy nanangan-tanana ny vahoaka fa hifidy laharana faha-3 amin’ny 16 novambra 2023. Efa anisan’ny record i Brickaville satria   84% no vato tamin’ny fifidianana farany teo ary mino aho hoy Andry Rajoelina fa 90% farafahakeliny amin’ity.

4 réflexions sur “Kandida laharana faha-telo tao Brickaville : HOVAHANA AMIN’NY ALALAN’NY  FAMETRAHANA PARC SOLAIRE MAHALEOTENA NY OLAN’NY FAMATSIANA HERINARATRA AO BRICKAVILLE

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *