JIOI : NANAO FANAMBARANA NY FILOHAN’NY LIGY TAEKWONDO MATSIATRA AMBONY

Jeux des Îles de l’Océan Indien (JIOI) : NANAO FANAMBARANA NY FILOHAN’NY LIGY TAEKWONDO MATSIATRA AMBONY

Nisy ny fanambarana izay nataon ‘ny filohan’ny Ligy Taekwondo Matsiatra ambony manoloana ny filazany fa tsy tafiditra anaty ekipa tokony handray anjara ny mpilalao avy ao amin ‘io ligy io. « Talanjona sy gaga ihany nahita ity fanambaràna ity satria @ maha Filohan’ny Ligy Taekwondo Matsiatra Ambony ny tenako dia tsy nisy fifampiantsoana avy any @ Fédération Taekwondo hifampidinihana ny olana sy ny tokony vahaolana raisina manoloana izany tsy fahatomombanana lazainy sy anaovany sonia izany.

 Tafaverina tokoa tao @ JIOI ary ny taranja Taekwondo, akory anefa ny hatairana fa ny champions 3 nandritra ny 3 taona nifanesy izay mpilalao Taekwondo avy @ Ligy Taekwondo Matsiatra Ambony dia tsy nantsoina, kanefa nisy ireo catégories ireo hifaninanana. Mbola manara-maso ny manao fanadihadiana moa hoe iza sy iza no hisolo ireo catégories tokony handraisan’ny Ligy Taekwondo Matsiatra Ambony ireo ary avy @ Ligy sy section ary club aiza, satria samy mifankafantatra palmarès daholo ny Ligy 9 misy eto Madagasikara. Noho izany dia TSY MIOMBONA @ IO FANAMBARÀNA IO NY LIGY TAEKWONDO MATSIATRA AMBONY izay tarihako Maître Rija Rakotozanakajy » , hoy ny Maitre Rija RAKOTOZANAKAJY.

Andry RAFIDINIRINA

241 réflexions sur “JIOI : NANAO FANAMBARANA NY FILOHAN’NY LIGY TAEKWONDO MATSIATRA AMBONY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *