ZON’OLOMBELONA

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ZON’OLOMBELONA

Natao androany tetsy amin’ny Parvis Analakely izay nokarakarain’ireo fikambanana mpiaro ny zon’olombelona sy ny zon’ny vehivavy toy ny CNFM, CNIDH, AFHAM, SDSR ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olombelona no sady fankalazana ny faha-74 taonan’ny FAZO na Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona.
” Fahamendrehana, Fahafahana ary Fahamarinana ho an’ny olon-drehetra ” io no lohahevitra noentin’izy ireo nanamarihina ny fankalazana.
Nisy ireo trano eva maro izay noentina nampafantarina ny rehetra ireo zony ireo. Nomena sehatra manoka tamin’izany ireo tanora mpiaro ny zon’olombelona, ireo olona manam-pasembanana ary ireo olona manana toe-tena varira.

CNFM, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olombelona ihany koa ny faha-20 taonan’ny “Protocole de Maputo” izay efa ela dia ela no niandrasana ny fakatoavana sy ny fampahafantarana azy io araka ny nambaran’i Amad Soatody Estelle Secrétaire général conseil national de femme à Madagascar(CNFM). Ho entina hampandrosoana sy fampandraisana anjara ary hisitrahan’ny vehivavy ny zony no hangatahana io fakatoavana io raha araky namabany ihany, ka izay no hangatahan’izy ireo amin’ny fanjakana s’y ireo tomponandraikitra misahana izany, mampatsiahy izy ireo fa mbola misy ny “protocole de Maputo” ary eo ampiandrana izay izy ireo.
Misy hoy izy ireo ny antony mahatonga ny tsy fakatoavana dia ny amin’ny fanomezana safidy ho an’ilay vehivavy amin’ny toy ny resaka fanolanana izay mahazo azy ( azy ny safidy ny amin’ny hitazomana ilay zaza na tsia) io hoy izy ireo no tena antony .

Hamaritana manokana ny zon’ny vehivavy ary koa miresaka tanteraka ny vehivavy afrikanina no tena ilaina io fakatoavana io.

📷Andry.
✍️Alex R.

423 réflexions sur “ZON’OLOMBELONA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *