Js Twins

Mpanakanto Js Twins: HANATANTERAKA SEHO ETO MADAGASIKARA

đŸŽ€Tonga eto Madagasikara ny JS twins,izay mpanakanto malagasy mpila ravinahitra any ivelany.Hanatanteraka fampisehoana eto an-tanindrazana moa ireo mpihira kambana ireo,ny 1Jolay 2023 ho avy izao,etsy amin’ny IFM Analakely.

đŸŽ€Zava-dehibe ho azy roa lahy ireto ny fandalovany an-tanindrazana,raha ny nambarany nanoloana ny mpanao gazety,satria dia mampiainga ny aingam-panahin’izy ireo ny fahitany indray ny tany niaviany.Fanomezana voninahitra lehibe an’i Madagasikara,ny fanehoana seho tsara,ary mirehareha amin’ny maha malagasy azy ny groupe JS twins any ivelany any raha ny nambarany hatrany. Amin’izao fandalovany eto izao ihany koa,dia efa namolavola ratsi-kira ny JS twins,nampitondrainy ny lohateny hoe”Diary”,ka hokasaina havoaka atoato.

📌Ny tapakila mandritra ny seho moa,dia efa nojifaina sahady teny amin’ny mpaninjara natokana ho amin’izany,misy ny tapakila tsotra ary misy ny famandriha-toerana ho an’izay te-hijery ny seho.Manodidina ny 300 eo no zakan’ny efitrano,ka nanao fanentanana ny mpakafy ny tarika hanjifa tapakila haingana.

Alex R.

410 rĂ©flexions sur “Js Twins

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *