CEPE 2023 MANANDRIANA

CEPE 2023 : NOTOLORAN’NY KAOMINA MANANDRIANA AVARADRANO SAKAFO IREO ANKIZY MPIADINA 277

✅Nizotra am-pilaminana ny fanadinana CEPE/6eme izay natrehin’ireo ankizy teto Madagasikara. Ireo ankizy izay nanotanniana saika nitatitra fa eo ho eo ihany raha laza-adina natao.

✅Ho an’ny Kaomina Manandriana Avaradrano manokana dia ny CEG Radama voalohany , no nandray ivo-toeram-panadinana .
278 no isan’ny mpiadina izay nizara efitrano 10, izay nisokajy B sy C, ho an’ny sokajy B dia nahatratra 257 ireo ankizy raha toa ka 21 ny sokajy C . Ankizy ray izay tao sokajy B kosa no tsy tonga niatrika ny fanadinana izay avy amin’ny Sekoly tsy miankina iray.

✅Afa-pahasahiranana ihany koa ireo Ray aman-dreny nitondra ny zanany nanala fanadinana , noho fijeren’ny Kaomina Manandriana manokana ireo ankizy, isa-taona tokoa mantsy dia efa fanaon’ny Kaomina ny miantoka ny sakafo rehetra ho an’ireo ankizy mpiadina.
Tonga nizara ny sakafo ho an’ireo ankizy tsirairay ny ekipa avy amin’ny kaomina , notarihan’ny Ben’ny Tanana Manandriana Atoa RAVELOSON Rina.

✏️Andry Rakotonirainy

132 réflexions sur “CEPE 2023 MANANDRIANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *