Lola Rasoamaharo : NOHELOHINA 5 TAONA

Nivoaka ny sazy mikasika an’I Lola Rasoamaharo – Tompon’ny La Gazette de la Grande Ile. Nohelohin’ny Fitsarana 5 taona sazy mihatra, miampy onitra 20 tapitrisa Ariary sy lamandy 10 tapitrisa Ariary ny tenany.

Efa imbetsaka no niakatra tetsy amin’ny tribonaly Anosy ny raharaha mahakasika azy. Voalaza kosa fa ilay raharaha hitorian’i Brigitte Razaka – ity mahavoasazy azy ity.

Ilay raharaha mikasika ny JIRAMA izay nanagiazana ny fitaovam-piasan’ny La Gazette kosa dia voalaza fa maty paik’andro – ka nohafahana tamin’io izy.

Mbola hampakatra ny raharaha ny fianakaviana.

Khan R.

lola rasoamaharo

174 réflexions sur “Lola Rasoamaharo : NOHELOHINA 5 TAONA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *