Marc RAMIARINJATOVO : NIZARA FIOFANANA MAIMAIMPANA TAO ANKADINONDRY SAKAY

Vory marobe ireo tanora nihaino an’I Marc Ramiarinjatovo tao amin’ny tranopokonolona Ankadinondry Sakay . Liana – te hivoatra amin’ny fiainana izy ireo…Te hanangana ny orinasany manokana ihany koa.

Anjaran’ny tanora ao anatin’ny vondrona KRIMAF ao Ankadinondry Sakay indray , androany zoma 12 Mai 2023,  no mandray ny fiofanana mikasika ny famoronana asa – entin’I Marc RAMIARINJATOVO – Pdg Escame , Filohan’ny MDV Madagasikara    Vaovao , no Mpiandraikitra foibe FJKM.

Expert amin’ny Fitantanana Orinasa ingahy Marc Ramiarinjatovo. Efa ben’ny tanana nandritra ny 8 taona ihany koa. Filohan’ny OPCI na vondron’ireo Ben’ny Tanana andalovan’ny Ranon’Ikopa.

Teknika fototra entina mamorona asa – miainga amin’ny talenta ananana sy ny toetran’ny olona tsirairay no fototry ny fampianarana. Tsy misy resaka vola na diplaoma fa ilay fahafantarana ny talentanao.

Efa betsaka ireo sampan’asa, fikambanana nandray ity fiofanana ity. Efa nandritra ny 15 taona no nitondrana ity fiofanana ity nitety an’I Madagasikara.

Nangonin ‘i GÔVA

242 réflexions sur “Marc RAMIARINJATOVO : NIZARA FIOFANANA MAIMAIMPANA TAO ANKADINONDRY SAKAY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *