Ikongo: FANENTANA MIKASIKA NY ADY AMIN’NY HERISETRA

IKONGO : NIDINA IFOTONY NY UNFPA SY MINISTERAN’NY MPONNA NANENTANA NY ADY AMIN’NY HERISETRA

✅Fokontany fito : Sahavondrony,Satrana, Antekoho, Ambalagoavy,Vonikazo, Ambatoharanana Mangarivotra.ahitana mponina lahy sy vavy miisa 745,ao anatin’ny kaomina i Ikongo no nanatanterahina fidinana ifotony, izay niarahana tamin’ny Fitaleavam-paritrin’ny Mponina Fitovinany sy ny mpiara-miombonantoka UNFPA Fitovinany ,ny 6 mey 2023.

✅Nampahafantarina sy nandrindrana ny tokony hifankafantarana ny zavatra atao hisorohana ny herisetra ary nanangana ny tambazotra miaro ny herisetra amin’ny mahaolona aty amin’ny Distrikan’ny Ikongo sy ny hametrahana ireo “task force” hisahana ny “ny fitarainan’ireo niharan’ny herisetra “.

✅Nandritra izao fandalovana izao no nanolorana ny kit de dignité hoan’ny vehivavy izay niharan’ny herisetra.
Ny ady amin’ny herisetra amin’ny mahalahy sy mahavavy dia vina apetrakin’ny fitondram-panjakana tanterahan’ny Ministeran’ny Mponina ho fiahiana ny maha olona, hisian’ny fampandrosoana lovain-jafy.

✅Ny tanjona dia ny hisitrahan’ireo Mponina ny tohana tsy misy fanararaotana ara-nofo ( exploitation sexuelle) sy fanaranana ara-nofo ( abus sexuelle) momba ny fanampiana tokony hisitrahany na inona io na inona.

Andry Rakotonirainy

453 réflexions sur “Ikongo: FANENTANA MIKASIKA NY ADY AMIN’NY HERISETRA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *