Governemanta Vaovao : NAHAZO TOERANA Haja RESAMPA sy Yvette SYLLA

Nisy ny fampahafantarana an’ireo Minisitra miisa 8 vaovao handrafitra ny Governemanta Ntsay Christian. Teny Ambohitsorohitra no nanaovana ny fanambarana izany io alatsinainy 20 febroary 2023 io – izay notontosain’ny SGP Espérance Pelandroy.

Mbola voatazona ho Praiminisitra arak’izany ny PM Christian Ntsay. Isan’ireo nahazo toerana kosa Haja RESAMPA izay efa SGP tamin’ny Tetezamita nitondran’I Filoha Andry Rajoelina. Nahazo toerana tahaka izany koa Yvette SYLLA izay efa nitana andraikitra sy niara-niasa tamin’ny Filoha ankehitriny ihany koa. Izany hoe ekipa efa hatramin’izay izy mianadahy ireo.

Fa isan’ny nisongadina ihany koa ny nanovana ny minisitry ny Fitsarana sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena. Ministera stratejika ireo ary inoana fa ministra vaovao hiatrika fifidianana ihany koa.

Ireo ary ireo minisitra vaovao:

1- Ministre de la Défense nationale : Général de Division Josoa Rakotoarijaona

2- Ministre des Affaires étrangères : Yvette Sylla

3- Garde des Sceaux, Ministre de la Justice : Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa

4- Ministre du Travail, de l’Emploi, de la Fonction publique et des lois sociales : Richard Jean Bosco Rivotiana

5- Ministre du Transport et de la météorologie : Valery Ramonjavelo

6- Ministre des Travaux publics : Colonel Ndriamihaja Livah Andrianatrehina

7- Ministre de l’Energie et des hydrocarbures : Rasamoelina Soloniaina Andriamanampisoa

8- Ministre de la Jeunesse et des Sports : André Haja Resampa

Mazava ho azy fa mbola mijanona amin’ny toerany ireo minisitra ambiny tsy ao anatin’ireo lisitra ireo.

#membresDuGouvernement

#ministreVaovao

#gouvernement

Araho hatrany ny vaovao ao amin’ny https://ledefi.mg

Une réflexion sur “Governemanta Vaovao : NAHAZO TOERANA Haja RESAMPA sy Yvette SYLLA

  • 13 septembre 2024 à 19h29
    Permalien

    Appreciating the commitment you put into your website and detailed information you offer. It’s awesome to come across a blog every once in a while that isn’t the same unwanted rehashed material. Fantastic read! I’ve saved your site and I’m adding your RSS feeds to my Google account.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *