TGV – Tana V: HANATANTERAKA KONGRESY

📌 Mbola misy ara-dalàna ary mijoro ara-dalàna hatrany ny TGV ,izay tarihin’ny RAHOLDINA Naivo eto Antananarivo renivohitra.Tsy misara-bazana ary miray hina hatrany tahaka ny nanorenana azy ny antoko, araka ny nambaran’ny mpitarika no sady mpitondra tenin’ny antoko.Ary manamafy ny fitambaran’izy ireo ny fijoroana hatrany ho mpanohana ny fitondrana misy azy ireo.

Maro ny hetsika hataon’ny antoko enti-manohana ny fitondrana sy enti-mampandroso ny faritra misy azy ireo tsirairay avy. Tafapetraka androany ireo mandrafitra ny fitantanana ny antoko vaovao eo anivon’ny antoko TGV,izay tarihin’ny RAHOLDINA Naivo,solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriboritany faha dimy.Nandritra

io fanolorana ny mpikambana vaovao io ihany koa no nanambaran’izy ireo ny hanatanterahana kongresy lehibe eto Antananarivo,ho an’ireo mpiaradia rehetra ny antoko rehetra sy ireo vonona hanatevin-daharana.

Nomarihin’ny mpitarika ny antoko kosa anefa fa vola madiodio an’ny antoko no hanaovana io kongresy io,ary tsy misy volan’ny fanjakana mihitsy.Mahaleo tena tanteraka ny antoko,ary tsy miankin-doha amin’ny fitondrana foibe.

📌Notontosaina tetsy Anosy ny fanolorana ireo mpikambana vaovao hitarika indray ny antoko,ary natao teo anoloan’ny mpanao gazety izany rehetra izany.

Alex R./Olivia R.

195 réflexions sur “TGV – Tana V: HANATANTERAKA KONGRESY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *