Toamasina : FAMINDRAM-PIBAIKOANA TEO ANIVON’NY TAFIKA MALAGASY SY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Natao tao Toamasina androany 10 Mai ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana teo amin’ny komandin’ny farim-piarovana sy filaminana Pangalane (ZDS Pangalane) sy ny komandin’ny farim-piadidin’ny Zandarimariam-pirenena Toamasina ( CIRGN Toamasina) ary ny Komandin’ny vondro-tobim-pileovanan’ny Zandarimariam-pirenena Atsinanana ( Groupement Atsinanana).

Ny famindram-pibaikoana teo amin’ny jeneraly Rakotoarisoa Henri Jocelyn komandy teo alohan’ny ZDS Pangalana sy ny jeneraly Nasinto Herilala Jean Christian komandy vaovao no nisantatra ny lanonana.

Nanaraka izany kosa hoan’ny zandarimaria, narahina fanolorana faneva sy sabatra hoan’ny kolonely Ranaivoarison Théodule, izay hibaiko indray ny farim-piadidian’ny zandarimaria Toamasina.
Ny jeneraly Rabemanantsoa Josh moa no nibaiko ny farim-piadidian’ny zandarimaria Toamasina teo aloha, izay voatendry hibaiko ny sekoly ambonin’ny zandarimaria ao Moramanga.

Lanonana ara miaramila fahatelo teo amin’ny araben’ny fahaleovantena tao Toamasina androany ny fandraisam-pibaikoana hoan’ny Lietnà kolonely Ratsimanindry Harisitraka, manamboninahitra ambony hibaiko ny vondro-tobim-pileovanan’ny Zandarimariam-pirenena Atsinanana.

Marihina fa ireo lanonana ara miaramila ireo dia teo ambany fibaikoan’ny jeneraly DERAMASINJAKA Manantso Rakotoarivelo Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy Andriamatoa Jeneraly Andriatahina Rakotomalala Komandin’ny Zandarimariam-pirenena.

Tonga nanome voninahitra ny lanonana tao Toamasina ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andry Ministra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena.
Amin’ny maha lanonana ara miaramila azy dia ny filaharana na ny matso no namaranana izany.

Tantely ANDRIANOMENJANAHARY

159 réflexions sur “Toamasina : FAMINDRAM-PIBAIKOANA TEO ANIVON’NY TAFIKA MALAGASY SY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *