Taorian’ny  tany Frantsa : HIGADONA ATSY GUINÉE-BISSAU IZAO TOLAKANDRO IZAO NY FILOHA ANDRY RAJOELINA 

Taorian’ny fitsidihana nataony tany France, izay nihaonany tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron sy nanatrehany ny lalonam-panokafana ny lalao olympika dia manohy ny diany any amin’ny kaontinanta afrikana indray ny filoha Andry Rajoelina.

Manomboka araka izany ny fitsidihana an’i Afrika izay tanterahiny ka andrasana anio folakandro ao Bissau renivohitr’i Guinée-Bissau ny filoha sy ramatoa vadiny Mialy Rajoelina. Haharitra roa andro ny fivahinianany ao amin’ity firenena ity.

Miara-dia aminy mandritra izao fitsidihana izao ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny Jeneraly Monja Sahivelo Lala Delphin sy ny mpanolotsaina mankonana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika Patrick Rajoelina.

Ny diplaomasia sy ny fampiroboroboana ny fifandraisana ara-ekonomika ao amin’ireo tany samy andalam-pandrosoana na coopération Sud-Sud no tanjon’izao fitsidihana izao. Araky ny fandaharam-potoana dia hisy ny fihaonana manokana eo amin’ireo filoha Andry Rajoelina sy ny filohan’i Guinée-Bissau Umaro Sissoco Embalo ka inoana fa ho votoantin’izany dinika izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny firenena roa tonta. I Guinée-Bissau moa no mitana ny laharana faha-telo maneran-tany amin’ny famokarana sy fanondranana ny noie de cajou na mahabibo.

Fantatra fahateo ny fifandraisana ara-pirahalahiana eo amin’ny filoha roa tonta. Raha tsiahivina dia anisan’ireo firenena nitoky tamin’ny vokam-pikarohana malagasy i Guinée-Bissau nandritra ny vanim-potoanan’ny ady tamin’ny valanaretina COVID-19 ary nandefa fiaramanidina manokana naka ny Covid-Organics teto Madagasikara mihitsy ny filoha Umaro Sissoko Embalo.

Fantatra fa mandritra izao fivahinianana izao dia hisy ny lanonana fanoloran’ny Ben’ny tananan’i Bissau ny lakilen’ny tananan’i Bissau amin’ny filoha Andry Rajoelina, ho porofon’ny fifandraisana ara-pirahalahiana sy ny fifampitokisana misy eo amin’ny firenena roa tonta. Andrasana ihany koa ny hisian’ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Guinée-Bissau.

Aorian’i Guinée-Bissau dia hihazo avy hatrany an’i Angola ny filoha Andry Rajoelina hamaly ny fanasana manokana izay nataon’ny filohan’i Angola azy. Mpinamana ary mifandray ampo rahateo ny filoha roa tonta. Manaporofo izany ny fahatongavan’ny filohan’i Angola tetsy Mahamasina nanatrika ny fianianan’ny filoha Andry Rajoelina taorian’ny fahalaniany. Fanamafisana ny fiaraha-miasa no tanjon’izao fitsidihana izao. Marihina fa i Angola no mitantana ny vondrona SADC ankehitriny.

Raha ny fantatra dia hisy ihany koa ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa anakiroa hatao any Angola ka ho voakasik’izany ny sehatry ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy ny famokarana herinaratra. Anisan’ny handrafitra ny delegasiona any an-toerana rahateo ny minisitry ny Harena ankibon’ny tany sy ny minisitry ny Angovo ary ary ny minisitry ny Raharaham-bahiny.

Fa anisan’ny andrasan’ny maro ary hanamarika izao dian’ny filoham-pirenena any Angola izao ny fandraisam-pitenenana izay hataony ao amin’ny Parlemanta angolais ny voalohan’ny volana août ho avy izao. Izany dia hotanterahina mandritra ny fivoriana ara-potoana na session ordinaire izay ataon’ireo parlemantera ao an-toerana. Ho vontoatin’ny fandraisam-pitenenany amin’izany, ankoatra ny fifampizarana eo amin’ny lafiny politika sy ny lalàna, dia eo ihany koa ny ekonomia sy ny sehatra maro hafa.

Hamaranana ity fitsidihana any Angola ity moa ny fihaonana manokana izay hataon’ny filoha Andry Rajoelina amin’ny filohan’i Angola Joao Lourenço. Ho feno dia feno arak’izany ny programan’ny filoha mivady mandritra izao fivahinianana roa misesy any amin’ireo firenena afrikana izao.

Tsimbakely

Une réflexion sur “Taorian’ny  tany Frantsa : HIGADONA ATSY GUINÉE-BISSAU IZAO TOLAKANDRO IZAO NY FILOHA ANDRY RAJOELINA 

  • 11 septembre 2024 à 1h09
    Permalien

    Great write-up, I’m normal visitor of one’s web site, maintain up the nice operate, and It’s going to be a regular visitor for a long time.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *