SAMPATI : 30 TAONA

Sampati eto Madagasikara : HANKALAZA NY FAHA-30 TAONA NIJOROANY

📌Hankalaza ny faha-30 taona nijoroany ny Sampana Mpanazava sy Tily eto Madagasikara na ny SAMPATI,ny faha-10-11-12 ary 13 aogositra 2023,ho avy izao eto Antananarivo.Hisy ny diabe sy ny fihaonambe amin’ireo fotoana ireo,ka manentana ny avy any amin’ny faritra rehetra ny filoha mpitarika sy ny mpikambana rehetra ao amin’ny biraon’ny fitaleavam-paritra hiomana.

Hanombohana io fankalazana io,dia hisy diabe hiraisana ny 29 jolay,ho avy izao;izay samy manao avy ny any faritra tsirairay,ho fanombohana ny fankalazana.Ny eto Antananarivo kosa ,dia hikambana ny sinoda-paritany efatra na dimy, hanatanteraka io diabe io,ka entanina araka izany koa.

Ao aorian'io diabe io,izany hoe ny ankatoky ny fankalazana,dia hifampitaona eto Antananarivo ny SAMPATI manerana ny Madagasikara, hanatanteraka ny fankalazana lehibe izay manomboka ny faha 10 aogositra,ka tsy hifarana raha tsy ny 13 aogositra 2023 izany.Hisy ny fandraisana manokana ireo avy any amin'ny faritra rehetra,ka ny sinoda-paritany andrefana no miandraikitra ny mpizaika.Manao fanentanana araka izany ny filoha mpitarika sy mpikambana avy ao amin'ny SAMPATI,hanoranatra anarana mialoha ireo hanatrika ny fankalazana eto Antananarivo,ka ny 30 jolay ho avy izao no fara-fisoratana anarana amin'izany.

📌Raha tsiahivina,moa dia sampana faha valo eo amin’ny sampan’ny fiangonana FJKM,ny SAMPATI,ka mitana andraikitra lehibe amin’ny fanabeazana ankizy sy tanora maro ,ho lasa olom-banona, indrindra eo amin’ny sehatry ny finoana. Manefy sy manolokolo ho olom-pirenena vanona ihany koa ny sampana indrindra eo amin’ny lafin’ny ara-batana, ara-pihetsempo, ara-tsaina.

📌 Amin’izao fankalazana ny faha 30 nijoroan’ny SAMPATI izao,dia misy ny teny faneva manentana,”Mitsangàna, mihazava…..Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava”ISA 60 :1a,ITES 5 :5a.

 Tetsy Analakely moa ireo filoha mpitarika sy mpikambana avy ao amin'ny SAMPATI, no nanatanteraka valan-dresaka niaraka tamin'ny mpanao gazety.

✍️ Alex R
📷 Hubert

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *