SALON DE LA RSE

“SALON DE LA RSE ET DES IDD”: FAMOAHANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY “PRIX DE LA RSE” ANDIANY FAHA-2

Notanterahana androany tetsy amin’ny Novotel Ivandry ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny “Prix de la RSE” andiany faha-2 , izay karakarain’ny Cabinet UR-CSR miaraka amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny minisiteran’ny jono ary ny EDBM.
Ity “Prix” no hafahanana manome fankasitrahana ho an’ireo orinasa lehibe na orinasa madinika hita fa tena miantrehatra sy mitondra tombotsoa goavana ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny manodidina izay tontolo iainana izay.
Misy ny lamina ho apetraky ny mpikarakara arahina ho an’ireo orinasa ireo hidiarana ao anatin’ilay fanomezana “Prix” toy ny hoe mila fantarina fa mijoro aradalana tsara ve ny orinasa?, mahaloa hetra tsara ve? Ka ao anatin’izany dia misy karazana drafitra omena azy ireo hafahany mandray anjara ao anatin’izay fanolorana “Prix” izay, ka ny voalohany amin’izany ny lafin’ny ara-tsosialy mahakasika ny ao amin’ny orinasa, fampiroboroboina ny mpiarabelona ao amin’ny orinasa.
Ny faharoa ny fiarovana ny tontolo iainana toy ny famokarana izay ataon’ilay orinasa ka manaraka ny fenitra izay tokony ho arahina, ny fandraisana anjaran’ilay orinasa ny amin’ny fampiroboroboina ny fiarovanana tontolo iainana eo amin’ny fiaraha-monina misy azy ireo.
Ary ny farany ny lafiny ara-toekarena, resahana ao amin’izany ny fampiroboroboina ny varotra toy ny fifidianana entana anatiny sy hazahoana tombony na (achat local ), eo ihany koa ny fampiasana mpiasa akaikin’ny orinasa na eto Madagasikara na ( emplois local) hafahan’ny mpiarabelona misitraka tombontsoa ao amin’ilay orinasa .

Misokatra ny 10 Jolay izao ny fisoratana anarana ho an’ireo orinasa ka ao anatin’ny roa volana no hifantenana ireo orinasa mendrika hahazo izany “Prix” izany.

Olivia R.

7 réflexions sur “SALON DE LA RSE

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *