RAKOTONDRAVAO Sarobidy: “ MANAZAVA NY ATAO HOE ZAZAMANGA”

Mitondra fanazavana amin’ny atao hoe Zazamanga I Sarobidy Rakotondravao izay Mpitan-kasina eo anivon’ny Hasin’ny Zazamanga. Izy rahateo dia taranaky ny Zazamanga ary mpitsabo nentim-paharazana Malagasy ihany koa.

Nandova ny fahaizana avy amin’ireo razambeny izy ary hipetrahan’ireo fanahin’ireo razambeny sy ny fanahin’ireo razana fanjakana sy razana Mpanjaka samihafa.

Ny zazamanga dia taranak’ireo Masombika nanompo ny Mpanjaka ary monina ao Antanetibe Zazamanga – Commune Ambato Distrika Ambohidratrimo.

Manana ny toerana masina izy ireo ary misy ny hasin’ny Zazamanga ihany koa. Any no hitoeran’ireo hery entiko mitsabo hoy Sarobidy Rakotondravao fantatra amin’ny anarana hoe Sarobidy na Hasin’ny Zazamanga.

Ireo hery rehetra ato amiko no manosika ahy hitsabo. Mitsabo ireo olana rehetra aho ary tsy manavaka sarangan’olona fa izay mila fikarakarana dia raisiko avokoa. Eny Manjaka Ilafy no misy ny toerana fandraisany olona ary ny 034 75 176 16 no laharana ahazoana azy.

Araho ao anatin’ity interview special ity ny fanazavany ny atao hoe Zazamanga. Mbola hitondra lohahevitra maro momba ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny Hasin’ny Zazamanga ihany koa izy amin’ny fotoana manaraka ka manasa anao hanaraka hatrany izany. Manana fandaharana ihany koa izy ao amin’ny Radio ICM Info Culture Madagascar 104.8 hizarany ny resaka kolotsaina ihany koa.

677 réflexions sur “RAKOTONDRAVAO Sarobidy: “ MANAZAVA NY ATAO HOE ZAZAMANGA”