Raharaham-pirenena : EFA MANANGASANGA NY PRE-CAMPAGNE ?

Amin’izao fotoana izao dia efa mipoitra tsikelikely ireo antoko politika sy vondrona politika eto Madagasikara,handray anjara amin’ny fifidianana.Eo ihany koa ny famoriana olona etsy sy eroa;ary ireo antoko lazaina ho matanjaka eto Madagasikara no manatanteraka izany.

Anisan’izany ny antoko TIM,ny antoko TGV sy ny MAPAR ,izay miaraka amin’ny fitondrana ankehitriny,ny antoko ARB, ny HVM amin’ny alalan’ireo jeune HVM isaky ny boriboritany. Eo ihany koa ireo mety ho olom-baovao manana n toerany dia ry Marc RAMIARINJATOVO filoha mpanorina ny Madagasikara Vaovao , ry Paraina AUGUSTE avy amin’ny Tsara Tahafina ary ekipa tarihin’ny Siteny Randrianasoloniaiko.

Etsy an-kilany kosa, ny fanentanana ataon’ny CENI, amin’ny fampidirana ny anaranan’ny olom-pirenena ao anaty lisi-pifidianana, dia mbola mandeha hatrany,na dia maro ary ireo antoko politika mpanohitra tsy manaiky io fomba fiasan’ny CENI io.

Ireo antoko politika voalaza etsy ambony,toy ny antoko TIM sy ny HVM dia mangataka ny hijerena akaiky ny “logiciel” hampiasana amin’ny fifidianana.Misy ny tsy fahatomombanana ao anatin’io fanomanana io fifidianana io raha ny nambaran’ny antoko mpanohitra hatrany.

Raha ny zava-misy anefa dia,tsy manaraka ny lalana velona misy eto Madagasikara ireo antoko mpanohitra ireo ,na ny mpiara-dia amin’ny fitondrana koa. Tsy eken’ny lalana mifehy ny fifidianana eto amintsika izany.

📌Manohy hatrany ny asany kosa anefa ny CENI ,raha ny hita ary mbola manentana hatrany ny olona afaka mifidy,hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana.Eo ihany koa ny fampiaonana ireo antoko politika maro hanaraka ny rafitra sy ny fenitra mifanaraka amin’ny lalàna misy eto Madagasikara.

Alex R.

#precampagne
#fifidianana

Araho ny vaovao hafa ao amin’ny https://ledefi.mg

441 réflexions sur “Raharaham-pirenena : EFA MANANGASANGA NY PRE-CAMPAGNE ?

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *