Paris : HISY NY FIHAONANA MANOKANA EO AMIN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA SY NY FILOHA FRANTSAY EMMANUEL MACRON

Paris : HISY NY FIHAONANA MANOKANA EO AMIN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA SY NY FILOHA FRANTSAY EMMANUEL MACRON

Efa migadona ao  #Paris  androany ny Filoha Andry Rajoelina sy ny delegasiona malagasy tarihany.

Nahazo fanasana manokana hanatrika ny fanokafana ny lalao Olympika hatao ao Paris rahampitso ny Filohampirenena.

Rahampitso dia hihaona manokana amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron ny Filoha Andry Rajoelina.

Hiresaka momba ny fiaraha-miasa misy eo aminy firenena Malagasy sy ny firenena Frantsay ny roa tonta ary hikatsaka izay hampiroborobo izany fiaraha-miasa izany, ho tombontsoan’i Madagasikara sy ny vahoaka #Malagasy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *