LALAO OLYMPIKA- NANKAHERY SY NANOME TSO-DRANO IREO ATLETA MALAGASY NY FILOHA ANDRY RAJOELINA

Nihaona manokana nankahery sy nitso-drano ireo atleta malagasy; mandray anjara amin’ny Lalao olympika ny filoha Andry Rajoelina, tao amin’ny Village olympique, ny 28 jolay 2024 teo. « Satria ny tso-drano zava-mahery » hoy ny filoham-pirenena.

Nandray ny filoha Andry Rajoelina ireo atletantsika 7 sy ireo coach, ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena mpisolo toerana  Valery Ramonjavelo sy ny tale jeneralin’ny ministera mpiahy.

Nohamafisin’ny filoha Andry Rajoelina  fa reharehan’i Madagasikara ny fananana ireo atleta Malagasy mandray anjara amin’ny lalao olympika. Miandrandra vokatra tsara amin’izy ireo ny vahoaka malagasy iray manontolo. Ary matoky ny fahaiza-manaon’ireo atleta Malagasy manokana ny filoha Rajoelina.

Azo  tanterahina tsara ny fahazoana medaly amin’izao lalao olympika izao hoy ny filoham-pirenena. Nampiakatra ny risim-pon’ireo atleta ny fihaonana manokana tamin’ny filoha Rajoelina. Tsy ny filoham-pirenena rehetra no mitsidika manokana ny atletany tahaka izao.

Ankoatry ny fihaonana manokana dia nitsidika ireo foto-drafitr’asa ampiasain’ireo atleta hanoman-tena amin’izao lalao olympika izao ny filoha Andry Rajoelina. Toy ny salle de musculation.

Eo anilan’ireo mpanao fanatanjahantena ny fanjakana malagasy tarihin’ny filoha Andry Rajoelina. Ny fanjakana no miantoka manontolo ireo delegasionina 22 miatrika ny lalao olympika.

Une réflexion sur “LALAO OLYMPIKA- NANKAHERY SY NANOME TSO-DRANO IREO ATLETA MALAGASY NY FILOHA ANDRY RAJOELINA

  • 16 septembre 2024 à 19h15
    Permalien

    I will right away clutch your rss feed as I can not to find your e-mail subscription hyperlink or e-newsletter service. Do you have any? Please permit me recognise so that I may just subscribe. Thanks.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *