Kaominina Antananarivo renivohitra : NIAMPY 98 IREO MPAMONJY VOINA

Niampy 98 ireo mpamonjy voina ary 200 ny polisy monisipaly eo anivon’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra. Ny zoma teo no natao ny famoahana azy ireo tamin’ny fomba ofisialy.

Andiany ”Tselatra” no nisalorany ary hiditra an-tsehatra amin’ny vonjy voina sy fandaminana ny tananan’Antananarivo avy hatrany hanampy isa ireo efa amperinasa mba hanafaingana ny vonjy voina sy hanampy koa amin’ny fandaminana tsena. Hisandrahaka any amin’ireo boriborintany 6 eto Antananarivo renivohitra izy ireo.

Raha mikasika ny famonjena voina manokana dia ampy ampiasaina amin’ny famonjena voina ny fitaovana satria efa misy toby dimy amin’izao. Hahazo toby tsy ho ela koa ny boriboritany fahaefatra, ‘ hoy ny nambaran’ny lehiben’ny vondron’ny mpamonjy voina, Ralaivao Eric Olivier.

Lycia ANDRIANIRINA

2 réflexions sur “Kaominina Antananarivo renivohitra : NIAMPY 98 IREO MPAMONJY VOINA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *