Kaomina Talatamaty

Kaomina Talatamaty: NITOHY NY HETSIKA ARA – TSOSIALY

Ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenana ihany dia maro ny hetsika izay nokarakarain’ny kaominina Talatamaty ka anisan’izany ny hetsika ara-sosialy izay entina hanampiana ireo olona tena marefo eo amin’ny kaominina.

Notanterahina androany 23 Jona moa izany hetsika ara-sosialy izany ka ny olona tena marefo, zoky olona, eo ihany ko ireo miasa eo anivon’ny kaominina ary ireo sembana no nisitraka fanomezana .

Miisa 12 ny fokontany izay mandrafitra ny kaominina ka nisitraka izany avokoa ireo fokontany ireo . Efa fanaon’ny kaominina moa ny hetsika ara-sosialy tahaka izao ho entina hanampiana ireo olona marefo ireo ka manodidina ny 2 600 eo no olona nisitraka izany fanampiana izany.

2 766 réflexions sur “Kaomina Talatamaty

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *