Itasy Analamanga Bongolava : FAMETRAHANA SAMBOADY HO AN’IREO SOLOMBAVAMBAHOAKA IRMAR

Notontosaina tetsy amin’ny  tokontany malalaky ny  Gara Soarano, ny alarobia teo , ny lanonana ara-panjakana fametrahana samboady ireo ampahy olom-boafidy sy olom-boatendry ary lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ny fianakaviamben’ny IRMAR, avy amin’ny faritra Analamanga sy Itasy ary Bongolava.

Ity fotoana ity koa no nametrahana ny VPAN Augustin Andriamananoro tamin’ny fomba ofisialy.
Ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena TOKELY  Justin no nametraka samboady ho azy.

Tamin’ny fandraisana fitenenana dia nanambara ny VPAN Augustin ANDRIAMANANORO fa vonona hanolo-tena ho fampandrosoana ny firenena ny tenany ary hiezaka ho olom-boafidy mpampihavana.

Ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena kosa nanamafy, tamin’ny kabariny,  fa tsy tokony  hamita-bahoka ireo olom-boafidy fa tokony hanatanteraka ny fampanantena izay nataony tamin’ny fampielezan-kevitra.

Patrice RAVELOSON

Une réflexion sur “Itasy Analamanga Bongolava : FAMETRAHANA SAMBOADY HO AN’IREO SOLOMBAVAMBAHOAKA IRMAR

  • 11 septembre 2024 à 12h50
    Permalien

    Hi, Neat post. There’s a problem with your site in internet explorer, would test this… IE still is the market leader and a good portion of people will miss your excellent writing due to this problem.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *