HETSIKA FANAMAFISANA NY FANDRIAM-PAHALEMANA

Antananarivo 27 Martsa 2024 – Nisy ny fijerena ifotony ny lafin’ny fandriamapahalemana teny Andranomanalina I – Afovoany – Isotry – Anatihazo Isotry androany, izay nokarakarain’ny Vaomieran’ny Fandriampahalemana nahitana ny fikambanana MIS(ES) TOUSSAINT alias BÔLÔ. Marihana moa fa faritra mafana amin’ny tsy fandriampahalemana ireo toerana ireo, raha eto amin’ny Boriboritany Voalohany eto Antananarivo.

Nifanojo indrindra tamin’ny hetsika fanamafisana ny fandriam-pahalemana nataon’ny polisim-pirenena ihany koa izany.

Nandritra izany no nijerena “sur terrain” ny hametrahana ny paikady rehetra momba izany, izay notarihan’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka

” Isan’ny nataona tamin’ity anio ity ny fijerena ifotony ny zava-misy amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana ety amin’ny faritra iva.

Ankasitrahana feno izao fandraisana andraikitra haingana dia haingana izay ataon’ny ministeran’ny Filaminam-bahoaka izao” , hoy Randriamanana Toussaint – mpitarika ity fikambanana ity.

Patrice Solofo

—————————–

Cet article est également disponible sur nos plateformes : https://ledefi.mg Contact Presse Ledefi.mg : +261 32 69 185 43 – Mail : contact@ledefi.mg

6 réflexions sur “HETSIKA FANAMAFISANA NY FANDRIAM-PAHALEMANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *