Hetsika ara-javakanto: ANTSO NY TONTOLO MIAINA

▶️Nitondra fanazavana ny tanjon’ny hetsika fampirantiana izay hatao ny 20 mey 2023 teny amin’ny Le Gourmet Ankorondrano androany ( 09/05/2023) ny mpikarakara avy ao amin’ny Antso ny  tontolo miaina.

▶️Fampirantiana lafin’ny hendrika maro izay hampifandraisaa ny tontolo mila voaaro no hatao mandritra ny 20 ka hatramin’ny 05 jona 2023 . hampafantarina amin’izany fa ny Antson’ny tontolo miaina dia manome lanja ny fitandrona ny akora ampiasaina eo amin’ny asa famoronana .

▶️Mpankanto maro no mandray anjara , izay misy mpanao hosodoko, mpaka sary, mpihira, anisan’izany : anisany izany  Richianny Ratovo dia miangaly ny asa sary hosodoko sy ny sikotra,Nature Attitude Madagascar ny hai-tao sy ny harena voajanahary ary miasa ao anatin’ny fanajana ny tontolo miaina rehetra. Flow Gallery , Dadee Andrianaivoson  mpanakanto manana fomba fiasa manaraka ny fiahina ny tontolo ianana. Ekolojika amin’ny heviny antropolojika, Miora Rajaonary , mpaka sary fanadihadiana, teraka sy lehibe teto Madagasikara, monina ao amin’ny nosy Maorisy, Felana Rajaonarivelo , mpaka sary no sady mpamokatra horonantsary, orinasa famokarana sary sy feo Fireflies, Richianny Ratovo dia miangaly ny asa sary hosodoko sy ny sikotra, Dadee Andrianaivoson mpanakanto manana fomba fiasa manaraka ny fiahina ny tontolo ianana. Ekolojika amin’ny heviny antropolojika .

▶️Tanjona fampafantarana sy fijerena ny tontolo manodidina amin’ny alalan’ny zava-kanto ary mampifandray ny zava-kanto sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny fiovan’ny toetr’andro dia tranga tsy azo lavina, ka afaka mandray anjara amin’ny hetsika manohana ny fiarovana ny tontolo iainana ny tsirairay. Antson’ny Tontolo Miaina dia manasongadina ny anjara asan’ny zavakanto sy ny kolontsaina mampita ny hafatra momba ny ankahamehina eo amin’ny izany fiovan’ny toetr’andro izany.

Andry Rakotonirainy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *