GOVERNEMANTA : MANAMELOKA NY FIKASANA HANAO KORONTANA

Manoloana ny fikasana hamboly korontana hatao eny amin’ny kianjan’ny 13 mey dia namoaka fanambarana toa izao ny governemanta avy amin’ny alalan’ny ministeran’ny atitany:

 Teboka voalohany : Manameloka tanteraka ny fikasana hanao korontana amin’ny fidirana an-keriny eo amin’ny Kianjan’ny 13 mai amin’ny Sabotsy ho avy izao ny Governemanta.

Teboka faharoa :  Manao antso avo ny Governemanta amin’ny fandraisan’andraikitry ny rehetra mba hiaro ny fiandrianan’ny vahoaka malagasy hifidy izay hitondra ny firenena sy ny fenitra demokratika.

Teboka fahatelo: Miantso ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana, indrindra ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara, mba hanohy ny fanohanana ny fikarakarana ny fifidianana, ho fanajana ny tetiandrom-pifidianana araka ny lalàm-panorenana.

Efa niteny imasom-bahoaka moa #marc_ravalomanana teny amin’ny Coliseum fa tsy maintsy hanongana eny amin’ny 13 mey.

5 réflexions sur “GOVERNEMANTA : MANAMELOKA NY FIKASANA HANAO KORONTANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *