Gerard ANDRIALEMIROVASON: HIROTSAKA KANDIDA HO FILOHAM-PIRENENA

Gérard Andrialemirovason no kandida faharoa nilaza mivantana ny fahavononany hirotsaka ho fidiana Filoham-pirenena taorian’Andriamatoa Paraina Auguste. Izy dia efa Talen’ny fampielezan-kevitry ny amiraly Didier Ratsiraka ary efa nisahana ny andraikitry ny Tale jeneraly teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika tamin’ny fitondran’ny AREMA. Nilaza izy, araka ny efa nohamafisiny tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-dRenivohitra fa tsy mpikambana ao amin’ny antoko politika AREMA.

Tanjony ny hametraka “Firenena vaovao” ho fanavotana ny Taranaka malagasy. Hifototra amin’ny fanomezana asa ny Raim-pianakaviana sy Renim-pianakaviana mba ahafahany mamelona ny ankohonany, fiarovana ny vahoaka manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro, famokarana angovo hamatsiana orinasa mpamokatra, fanatsarana ireo lalana ifamezivezen’ny vokatra sy ny olona ary ny fifandraisan-davitra izany.

Io “Firenena vaovao” io no heveriny fa antoka hitondra ho amin’ny fitoniana politika.

Manoloana ny fahantrana lalina sy tsy fanjarian-tsakafo dia narosony ho vahaolana ny fanomezana velaran-tany sahaza hamokaran’ny Raim-pianakaviana eny ambanivohitra izay tsy hamelomany ny ankohonany fotsiny fa mba hitondra fihatsaram-piainana amin’ny alalan’ny fananany tahiry sy fahafahany hitondra ny anjara birikiny amin’ny fananganana fotodrafitrasa fototra eny amin’ny kaominina sy fokontany misy azy ary ho fitsinjovany ny fahanterany.

Eo anatrehan’ny fahapotehan’ny lalam-pirenana faharoa (RN2) dia nilaza izy fa tokony hampiasa sambo amin’ny alalan’ny fifamoivoizana an-dranomasina sy an-dranomamy manaparitaka ireo entana mavesatra tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ankoatra izay tokony hampidirina eto Antananarivo. Eo ihany koa ny famerenana ny fitantanana ny lalam-by amin’ny Fanjakana malagasy.

Filazam-pahavononana no nambarany tamin’ny mpanao gazety androany fa mbola hanatanteraka fitetezam-paritra, haka tsodrano amin’ny lafy valon’ny Nosy izy mialoha ny hanambarany amin’ny fomba ofisialy ny firotsahany ho fidina Filoham-pirenena sy hampisehoany ireo mpiara-dia aminy.

#gerard_andriamilerovason

#candita_presidentiel

#ledefi_madagascar

Araho hatrany ny vaovao samihafa eto amin’ny https://ledefi.mg/

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *