Fjkm Imeritsiafindra

Fjkm Imeritsiafindra: ASA SOSIALY NATAON’NY FILOHAN’NY ANTENIMIERANDOHOLONA

Tonga teny amin’ny FJKM Imerintsiafindra Filadelfia ny filohan’ny Antenimierandoholona, Andriamatoa Herimanana Razafimahefa omaly alahady 02 Aprily 2023.

  • Nandritra ny fambolenkazo izay notanterahina ny Sabotsy 25 Martsa lasa teo, teny amin’ny faritra Ambohimanga dia nitaraina taminy ireo mponina nohon’ny fahasahiranan’izy ireo amin’ny vidim-piainana, indrindra fa ny vidim-bary amin’izao maitso ahitra izao. Namaly ny hetahetan’izy ireo ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ka nanolotra vary roanjato gony nozaraina isam-piangonana teny Ambohimanga, ka roapolo gony no anjaran’ny fiangonana Imerintsiafindra.

Araka ny teny nataon’ Andriamatoa Herimanana Razafimahefa moa dia nanafatra ny filoha Andry RAJOELINA mba omena vary dimy kilao avy ireo fianankaviana roanjato tena sahirana.
Ankoatrizay dia nisy ny fanohanana ara-bola ho fanamboarana ny jiro izay nilatsaham-baratra tamin’ny volana janoary lasa teo.
Marihina moa fa nisy ihany koa ny fiaraha-miasa tamin’i Jeneraly Richard RAVALOMANANA nahavitana izao hetsika ara-tsosialy izao.

Finaritra R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *