FITSIDIHINA FANAOVAM-BELOMAN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA NATAON’I ISSA SANOGO – MPANDRINDRA MAHARITRY NY FIRENENA MIKAMBANA


Nandray ny mpandrindra maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, Issa Sanogo, izay nahavita ny fotoam-piasana teto amintsika, ny Filoha Andry Rajoelina, ny maraina teo tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Ny volana oktobra 2020 no nanomboka nandray ny asany teto Madagasikara i Issa Sanogo.


Nandritry ny fihaonan’ny roa tonta no nentin’ny Filoha Andry Rajoelina naneho manokana ny fankasitrahany ity tompon’andraikitra ity tamin’ny fiaraha-miasa sy ny fanohanan’ny Firenena Mikambana an’i Madagasikara. « Mpiara- miombon’antoka mahomby amin’i Madagasikara ny Firenena Mikambana, amin’ny alalan’ireo rantsa-mangaikany maro izay miara-miasa sy mifanome tanana akaiky amin’ny Fanjakana malagasy » ; hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Mifanitsy tanteraka amin’ireo Andry fototry ny Fampandrosoana telo napetraky ny Filoha Rajoelina ny sehatra iasan’ny Firenena Mikambana eto amintsika. Mifantoka amin’ny Fanjakana tsara tantana, ny ny fampivoarana ny maha olona, ny famporisihina ny famoronana asa mba hahazoana fidiram-bola mendrika sy ny fampandrosoana lovainjafy, ireo sehatra iasan’ny Firenena Mikambana eto amintsika.

Zava-dehibe hoan’i Madagasikara araka izany ny tan-tsoroka omen’ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ireo rantsa-mangaikany maro samihafa ny toy ny PNUD, ny PAM, ny ONUDI sy UNFPA ; hahahafana manafaingana ireo fandaharan’asan’ny fanjakana ao anatin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana ( PGE), hanatrarana ny fahataran’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.


Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina nandritry ny fihaonana ihany koa ny fahavononan’ny fanjakana malagasy hiara-hiasa hatrany amin’ny Firenena Mikambana. Mafy orina ny fifandraisan’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny mpandrindra maharitry ny Firenena Mikambana Issa Sanogo. Teo anilan’ny fanjakana malagasy hatrany Issa SANOGO tamin’ireo fandaharan’asa maro notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, anisany izany ny fandraisany anjara tamin’ny tatitry ny UNFPA momba ny toetoetry ny mponina 2024, ny 11 jolay 2024 lasa teo .

Anisan’ny nanamarika ny fotoam-piasan’ity Mpandrindra maharitry ny Firenena Mikambana ity ihany koa ny fiatrehina ny ady amin’ny valanaretina COVID-19 sy ireo rivo-doza mahery vaika nandalo teto Madagasikara. Maro araka izany ireo fanamby natrehina niaraka tamin’ny firenena mikambana ka nahitana fahombiazana teo ambany fitantanan’ny filoha Andry Rajoelina.
Nankasitraka sy niarahaba manokana ny vadin’ny Filoham-pirenena Mialy Rajoelina ihany koa ity mpandrindra maharitry ny Firenena Mikambana ity noho i Mialy Rajoelina tompon-dakan’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, ny taona 2020

Patrice RAVELOSON.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *