Finoana Katolika: TAFAPETRAKA NY EVEKAN’I MAHAJANGA

Napetraka eo amin’ny fiketrahany ny Evekan’i Mahajanga vaovao Mgr Zygmunt Robaszkiewicz. Anio alahady 12 febroary 2023 no notanterahana tany Mahajanga ny lamesa nametrahana azy notarihan’ny Kardinaly sy Eveka maro samihafa – izay natao tao amin’ny Cathédrale Fo madion’i Maria, Mahajanga.

Efa ho 4 taona no tsy nanana Eveka ny diosezin’ny Mahajanga. Faly ny mpino katolika tao Mahajanga tamin’izao fahazoana Eveka vaovao izao.

Marihana fa efa 33 taona niasana teto Madagasikara ity Eveka – teratany Poloney ity.

Nanotrona ity fotoana ity koa moa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

#finoana_katolika

#ecar

#eveka_mahajanga

#ledefi_madagascar

Araho hatrany ny vaovao samihafa eto anivon’ny https://ledefi.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *