Festival Espoir Beach

Festival Espoir Beach:HOTANTERAHA AO AMIN’NY NOSY SAINTE -MARIE NY 15 -22 JOLAY 2023

Hotanterahana 15 hatramin’ny 22 jolay ho avy izao ny “festival Espoir Beach”,izay hatao ao amin’ny nosy Sainte-Marie.17 ny isan’ireo fokontany handray anjara ao amin’ny faritra ,izay samy manana ny taranja manavanana azy avokoa ny mandray anjara rehetra.Sokaji-taona 14 hatramin’ny 17 taona no afaka mandray anjara ,ary tsy hanavahana na lahy na vavy.
⚽🏈Miisa 34 kosa ireo karazam-panatanjahantena hita mandritra ny hetsika;hita ao anatin’izay ireo karazan-dalao azo lalaovina ambony fasika rehetra.
Ireo tanora liana amin’ny fanatanjahantena no tiana hosarihina mandritra ny hetsika,ankoatra ny fizahantany ,izay matetika efa heno.
Amin’ny maha hetsika ara-panatanjahantena azy,dia manohana hatrany ny Telma, ary manome tanana ity hetsika “Espoir beach ” ity.
Raha ny nambaran’ny mpikarakara,dia mbola misokatra hatrany ny fisoratana anarana ho an’ireo izay mbola te handray anjara.
Alex R.
Olivia R.

31 réflexions sur “Festival Espoir Beach

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *