Fanalam-baraka: TEZITRA MAFY D-LAIN

Sambany tokoa no nahita an’i D-Lain naneho hatezerana. Endrika mitsiky sy mirana foana no hahitana azy. Tezitra mafy noho ny nataon’ilay Mpanao facebook iray izy ka nangataka an’io olona io mba hamafa ny sariny. Nahatsiaro tena ho afa-baraka izy noho ny teny tsy mendrika nataon’io mpanao facebook io tamin’ny sariny.

Efa niantso sy nandefa mp an’io olona io izy saingy tsy novalian’ilay olona. ” Raha te hitady laza ianao – dia misy fomba hafa ankoatra ny fanalam-baraka olona”, hoy D-Lain.

Lehilahy tsotra aho , hoy izy , ary aza araraotina. Kanefa rehefa sarotra tenenina ianao dia ho hitanao izany olona tsotra rehefa tezitra.

#d_lain
#ledefi_madagascar.

👉👉Araho hatrany ny vaovao ao amin’ny https://ledefi.mg/

65 réflexions sur “Fanalam-baraka: TEZITRA MAFY D-LAIN

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *