Fakana ankeriny ao Anjozorobe : EFADAHY NIDOBOKA ENY TSIAFAHY

Efa-dahy voasaringotra nandray anjara taminà fakana an-keriny tao Anjozorobe no nidoboka am-ponja eny Tsiafahy.
Ny zoma lasa teo izy ireo no natolotra ny fitsarana tetsy Anosy, taorian’ny fanadihadiana sy ny famotorana nataon’ny 𝘇𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝘆.

Fantatra araka ny fampitam-baovao, fa tao amin’ny tanana atao hoe Vohitsara anatin’ny kaominina Ambanivohitra Ambohibary Vohilena no nisian’ny fakana an-keriny, izay voalaza fa nandraisan’izy ireo anjara. Nisy tamin’izy ireo ny nandray anjara mivantana, tao ihany koa ireo niray tsikombakomba tamin’io asa ratsy io. Tamin’ny asa ratsy naha voarohirohy azy efa-dahy ireto, dia fantatra araka ny vaovao voaray, fa nisy tamin’izy ireo no monina tao amin’ilay tanana ihany.

Hatreto, dia isan’ny mbola mitondra faisana amin’ity resaka fakana an-keriny ity, ny ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Etsy andininy, hoan’ny zandary avy ao amin’ny kompania Imerina Centrale dia mitohy ny hetsika fampandriana fahalemana, ankoatra ny fidinana ifotony, fitetezana tanàna ary fikarohana sy fanaovana haza lambo ireo olon-dratsy.

Azo lazaina fa efa miha voafehy tsikelikely ity resaka fakana an-keriny ity ao amin’ny distrikan’Anjozorobe amin’izao fotoana izao. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy mpampitondra faisana ny monina amin’izany, ankoatra ireo izay efa voasambotra. Manao ny ainy tsy ho zavatra ireo zandary eo am-panatanterahana asany, satria dia azo lazaina ho mitovy ny fitaovam-piadiana eo amin’izy ireo s’y ireo andianà mpanao ratsy.

Manana sy mampiasa basy mahery vaika ireo daholo no sady tsy mihahotra mampiasa izany rehefa mifanehitra amin’ireo mpitandro filaminana.
Laharam-pahamehana hoan’ny zandary ny hisitrahan’ny vahoaka izany atao hoe
fandriam-pahalemana izany, ka tsy handeferan’izy ireo mihitsy hoan’izay voasambotra ka hitondrana azy ireo eo anatrehan’ny fitsarana.

©️𝗧𝗮𝗻𝘁𝗲𝗹𝘆 𝗥.


Cet article est également disponible sur nos plateformes : https://ledefi.mg, LinkedIn (LeDéfi Madagascar), Facebook (Ledefi-madagascar) et WhatsApp (LeDéfi Madagascar ) / Contact Presse Ledefi.mg : +261 32 69 185 43 – Mail : contact@ledefi.mg

225 réflexions sur “Fakana ankeriny ao Anjozorobe : EFADAHY NIDOBOKA ENY TSIAFAHY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *