Betioky – Bekily – Ampanihy – Beloha: HAHAZO KIT SOLAIRE MAIMAIMPOANA ISAN-TOKANTRANO

Site efatra aty amin’ny tapany atsimon’ny Nosy dia Betioky – Bekily – Ampanihy – Beloha no notsidihan’ny kandida laharana faha-3 Andry Rajoelina androany asabotsy 4 novambra.
Feno hipoka hatrany ny kianja nandraisana azy ary vahoaka faly miandrandra fitohizan’ny fampandrosoana no nihaino ny kandida laharana fahatelo.

Nanome toky ny vahoaka taty amin’ny tapany atsimon’ny nosy androany fa hanome 80 % ny vato – ka tetsy ankilazan’izay dia nampanantena ny kandida laharana fahatelo fa ” Vao vita ny fifidianana ka lany aho premier tour dia fanamby no ataoko fa tsy hampiasa jiro pétrole intsony ianareo. Izay tokatrano rehetra tsy manana jiro dia homena maimaim-poana kit solaire avokoa. Hitondra hazavana hoan’ny vahoaka aty aho” .Vitatsika ny premier tour hoy ny fampanantenana nataon’ny vahoaka.

Maro ny fotodrafitrasa vita taty amin’ny faritra atsimo ary mbola hotohizana izany. Amin’io mandat manaraka io dia hiompana kokoa amin’ny fanakaikezana ny vahoaka aho hoy Andry Rajoelina ary hijery manokana ny lafin’ny sosialim-bahoaka sy ny fanomezana aza. Tsy hisy faritra adino intsony manomboka izao.

114 réflexions sur “Betioky – Bekily – Ampanihy – Beloha: HAHAZO KIT SOLAIRE MAIMAIMPOANA ISAN-TOKANTRANO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *