Bacc : AMIN’NY FAHA 17 – 21 JOLAY 2023

Hotanterahana amin’ny 17 hatramin’ny 21 jolay 2023 ny fanadinana Baccalaureat amin’ity
taom-pianarana ity. Ho an’ny Baccalaureat sokajy Teknika sy Professionnel kosa dia hitohy ny
24 hatramin’ny 27 jolay 2023 ny tapany faharoa.

Efa nisokatra tamin’ny faha 6 febroary 2023 teo ny fisoratanana anarana
ary hifarana amin’ny 7 aprily 2023 amin’ny 6 ora hariva.

Ny teo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony no namoaka izany tetindro izany ary mihatra avy hatrany.
Mangarahara ihany koa ny mikasika ny vola aloa mandritra ny inscription. Raha candidat d’ecole : 15 000 Ar
candidat libre: 50 000 Ar , ho an’ny teratany vahiny kosa : 100 000 Ar.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *