ARENDRINA VITA MALAGASY

Asaramanitra: HAFA IHANY NY ARENDRINA VITA MALAGASY

Araka ny fanadihadiana natao dia niakatra ny vidin’ny arendrina vita malagasy.
Mikaikaika ny mpivarotra satria niakatra ny vidin’ny akora fototra fanaovana azy – saingy hafa ihany ny manjifa ny vita malagasy hoy izy ireo.

Mariky ny fiandrianam-pirenena ny Sainam-pirenena ary mifanindran-dalana amin’izany ny arendrina vita malagasy izay arenty rehefa Asaramanitra toa izao.

Ireo arendrina vita sinoa sy ny laser maintso kosa no manimba ny tsenan’ny arendrina satria sady mora no tena mitobaka.

Manjaka tokana ny entana vita sinoa eny an-tsena. Amin’izao Asaramanitra izao dia entanina isika hanjifa ny arendrina vita malagasy fa hafa ihany ny antsika e !

Olivia R.

Une réflexion sur “ARENDRINA VITA MALAGASY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *