Apipa : EFA MIROSO AMIN’NY FANESORANA TSIKAFONA SY FANADIOVANA KANALY

Taorian’ny rotsak’orana dia miroso amin’ny asa fanadiovana ireo Tatatra sy ireo lakan-drano vaventy ny APIPA (Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo) amin’izao fotoana izao”. Fampitam-baovao avy amin’ny Apipa no nahazoana izany.

Ny asa fanadiovana sy fanalana tsikafona dia efa anisan’ireo asa fototry ny APIPA, mba ahafahana mampikoriana tsara ny rano sy tsy hisian’ny fiakaran’ny rano any anaty tanàna rehetra any. Tao anatin’ny roa taona nisesy izay dia : ” tsy nisy ny tondra-drano sy ny fiakaran’ny rano be teto Antananarivo na dia nisy aza ny oram-be sy ny rivo-doza izay nitondra rotsak’orana be teto Antananarivo.

Ny Antony dia noho ny fametrahana ho laharam-pahamehana ireo asa fanadiovana ireny lakan-drano vaventy ireny”. Miroso amin’izany asa lehibe izany ankehitriny ny APIPA sy ny ekipa rehetra, indrindra amin’izao fotoana tsy hisian’ny orana izao mba hiomanana mialoha sy hiarovana ireo mponina eny amin’ny faritra iva, ka nanombohana azy ny teny Andranobevava marais masay bassin nord mba ahafahana mampikoriana tsara ny avy any amin’ny faritra atsinanana, Andravoahangy, besarety, sns, natao Ihany koa ny eny anosy sy ambodimita mba ahafahana misintona ny avy amin’ny canal C3 sy Andriantany sy ny manodidina azy rehetra.

Izao asa izao dia efa tafiditra sahady amin’ny fandaharana fiomanana mialoha rehetra hiandrasana ny fahavaratra manaraka. Na eo aza izany asa mandeha rehetra izany dia manentana hatrany ny APIPA ny amin’ny mba tsy hanariana fako eny anatin’ireny lakan-drano ireny mba tsy hisian’ny fitohanan’ny rano ka hiteraka voka-dratsy amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina.Angatahana mba handray ny andraikitra tandrify azy daholo ny tsirairay.

TSIMBAKELY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *