Antsahakely Ambatofinandrahana

Antsahakely Ambatofinandrahana : Fifaninanana hazakazaka am-bisikileta ho an’ny tanora lahy sy vavy

Natao teto Antsahakely kaominina ambanivohitra Soavina distrikan’Ambatofinandrahana ny talata 5 martsa teo ny fifaninanana hazakazaka am-bisikileta ho an’ny sokajy lehilahy sy vehivavy izay nokarakarain’ny fikambanana UPAR sy AFF Ambatofinandrahana notarihin’ny Filohany Richard RAZAFINDRABARY.Maro ny mpandray anjara ary tsikaritra fa misy atleta manana ny maha izy azy tokony ho tohanana eto amin’ity kaominina ity.

Natao izao fifaninanana izao hanomezana lanja ny tanora amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly indrindra ety amin’ny tontolo ambanivohitra.Afa-po ny mpandray anjara ary maniry ny hitohizan’ny hetsika tahaka izao. Halaviran-dalana 7km ho an’ny sokajy lehilahy nanaraka ny lalam-pirenena faha 35 raha 5km ho an’ny sokajy vehivavy tamin’ity fifaninanana hazakazaka am-bisikileta ity.

Niady ny fifaninanana ka nandrobaka ny laharana voalohany teo amin’ny sokajy lehilahy i Maharavo nahazo lelavola iray hetsy ariary raha Berthine kosa teo amin’ny sokajy vehivavy nahazo dimy alina ariary.Samy notolorana lelavola avokoa moa ireo mpandray anjara rehetra.Hitohy amin’ny taranja ara-panatanjahan-tena hafa ny hetsika raha ny nambaran’ny mpikarakara satria maha liana ny tanora.

Jameson Antsirabe

2 037 réflexions sur “Antsahakely Ambatofinandrahana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *